Songadim-baovaoSosialy

SOLONTENAN’NY MPIASAN’NY FAHASALAMANA : « Tsy fialokalofan’izay manao ny tsy mety ny sendika »

Manoloana ny fisian’ireo olom-bitsy manao fanambarana etsy sy eroa, ary miteny amin’ny anaran’ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny Nosy dia nivoaka tamin’ny fahanginany ireo solontenan’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra. Nambaran’izy ireo fa asa masina ny asan’ny mpiasan’ny fahasalamana ary ataon’izy ireo am-pitiavana tanteraka ny adidy sy andraikitra mifandraika amin’izany. Notsindrian’izy ireo tao anatin’ny fanambarana nataony fa tsy afaka ny hisolotena sy hisolo vava ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra manerana an’i Madagasikara ireo olom-bitsy manakana azy ireo hanao ny asan’izy ireo antsakany sy andavany amin’ny fitsaboana ny mpiara-belona. « Averina indray fa ny Syndicat dia mitady ny tombotsoa iombonan’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra fa tsy natao hialokalofan’izay manao ny tsy mety… Izahay mpiasan’ny fahasalamana dia manaja ny fianianana sy voady izay natao amin’ny fandraisana antanana ireo marary tsy ankanavaka sy ireo izay mila tolotra ara-pahasalamana amin’ny fotoana rehetra. Porofon’izany dia manatanteraka ny asanay toy ny andavanandro foana izahay na misy ny hetsika na tsy misy ny hetsika », hoy hatrany ny fanambarana.

LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer