
Songadim-baovaoSosialy
FAHASALAMAM-BAHOAKA AO MAROANTSETRA: Hiasa tsy ho ela ny fitaovam-pitarafana raitra ao amin’ny hopitalibe
Hiasa tsy ho ela ny « scanner » fitarafana ati-doha ao amin’ny « Service d’Imagerie Medical »-ny hopitaly ao Maroantsetra, Faritra Ambatosoa. Mizotra soa amantsara arak’izay ny fampiofanana ireo teknisiana hikirakira ity fitaovana ity. Ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka no angady nananana sy vy nahitàna izao fampitaovana izao. Ny tanjona dia ny hamahàna ny fahasahiranan’ny vahoaka ao amin’ny faritra Ambatosoa sy ny manodidina. Atsy ho atsy, arak’izany, dia tsy voatery handeha lavitra intsony ireo marary mila fitsaboana amin’ny alalan’ity fitaovana ity. Izao fampitaovana ny hopitalim- paritra izao dia tafiditra ao anatin’ny fanatrarana ny Andry voalohan’ny Filoham-pirenena, ho fanomezan-danja ny maha-olona.
Ny Fanoratana.




