PolitikaSongadim-baovao

ADY AMIN’NY FANDROBANA: Natsangana ny « Brigade anti-pillage » eo anivon’ny Polisim-pirenena

Ankoatra ireo vondron-kery manokana eo anivon’ny Polisim-pirenena dia natsangana manoloana ny savorovoro sy fanararaotana isan-karazany ihany koa ny « Brigade anti-pillage » eo anivon’ny Kaomisaria Foibe etsy Tsaralalàna. Vondrona polisy manao vonjy taitra izy io, raha ny fampahafantarana, ary natsangana ny alin’ny Alakamisy 25 septambra lasa teo, herinandro izay, mba hanoherana ireo mpandroba manararaotra hetsi-bahoaka. Fa teo ihany koa, an-kilany, ny fanampian’ireo olon-tsotra tsara sitra-po tamin’ny ara-pitaovana ny Polisimpirenena. Ankoatra ny fiaran’ny polisy dia, nampindramin’ireo olona fiara tsy mataho-dalana maromaro miampy iantohana solika ho entina miasa ny polisy. Nitsindriana tamin’izany, fa ady amin’ny fandrobana sy fanakorontanana ranoray ivelan’ny fihetsiketsehan’ny mpitolona no sahanin’io « Brigade anti-pillage » io. Io vondrona io no anisany nandrava ny fandrobana ny tsenan-tSinoa « China Mall » eny Ankazomanga, ny alin’ny 25 septambra, fa teo koa ny teny amin’ny Mada Hotel 67ha, ny fikasana handroba ny Habibo Tanjombato, ny Basan Tanjombato, ary Atom Fasankaràna. Manao fisafoana manerana an’Antananarivo ity vondrom-piarovana iray eo anivon’ny Polisim-pirenena ity, amin’ny alalana fiara, ho amin’ny fandriam-pahalemana. Iantsoan’ny Polisim-pirenena ny rehetra hiantso avy hatrany raha misy korontana na fanararaotana araka izany.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer