
PolitikaSongadim-baovao
TANORA SY FANATANJAHANTENA IRAISAM-PIRENENA: Vonona hanohana an’i Madagasikara hatrany ny Firenena Mikambana
Nandritra ny fihaonambe «Programme d’Action Mondiale pour la Jeunesse» izay notanterahina tany New York ny herinandro lasa teo dia nanamafy ny toeran’i Madagasikara ho mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahantena maneran-tany ny Minisitra Marson Moustapha Abdulah. Tamin’izany indrindra no naneho hatrany ny finiavany, ny fahavononany hanova ny hoavin’ny tanora sy ny fanatanjahantena malagasy ny Ministra ka nanasongadina ireo vina mazava sy paikady tsara rafitra ho fampivoarana ny tanora malagasy. Vina izay mifanindran-dalana tanteraka amin’ny politikam-panjakana malagasy mahakasika ny fanohanana ny tanora sy ny fanatanjahantena ary koa tsy mivoana amin’ny tanjona izay napetraky ny Firenena Mikambana ho an’ny tanora.
Anisan’ny fotoana manan-tantara tamin’io fivoriambe io ihany koa ny fihaonana teo amin’ny Minisitra sy Atoa FELIPE Paullier, «Sous-Secrétaire Général aux affaires de la jeunesse» eo anivon’ny Firenena Mikambana, sy Atoa GLENN Micallef «Commissaire Européen à lÉquité intergénérationnelle, à la Jeunesse, à la Culture et aux Sports”. Izy ireo izay samy nanambara fa vonona hatrany hifanome tanana amin’i Madagasikara ny Firenena Mikambana ho fanohanana ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Ny fihaonana tahak’izao dia manaporofo fa tsy mijanona fotsiny amin’ny sehatra anatiny ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena fa mitarika an’i Madagasikara hiditra amin’ny sehatra vaovao amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena.
Tsara ny manamarika fa tanora malagasy miisa enina no isan’ny delegasiona nanaraka ny Minisitra tamin’io fivoriambe io, manaporofo fa tsy fanehoana fotsiny ny fandraisana andraikitry ny Fanjakana izany fa fanomezan-danja sy fanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy. Amin’ny maha Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena azy dia raisin’Atoa Marson Moustapha Abdulah ho adidy ny mampiray ny tanora, manome sehatra, ary manokatra varavarana vaovao amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, ho tombontsoan’ny firenena sy ny taranaka ho avy. “Ny tanora no hoavin’ny firenena, ary ny fanatanjahantena dia lalana mankany amin’ny firaisankina sy ny fandrosoana”, hoy hatrany ny Minisitra.
Ny fanoratana.




