PolitikaSongadim-baovao

MPANDRAHARAHA RAVA FANANANA : Mitentim-bidy any aminny 200 miliara Ar ny fahavoazana tamin’ny fandrobana

Noraisin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo mpandraharaha rava fananana nandritra ny fihetsiketsehana teto an-dRenivohitra sy tany amin’ny faritra hafa, ny sabotsy tolakandro lasa teo. Niara-dia tamin’ireto farany, ireo Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara toy ny GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar), ny SIM (Syndicat des Industries de Madagascar), ny GFEM (Groupement des Femmes Entrepreneures de Madagascar), ny FIVMPAMA (Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy), sns. Nasaina nanatrika ny fihaonana tamin’io fotoana io koa ny Minisitra tomponandraikitra, dia ny Minisitry ny fampiroboroboana indostria sy ny varotra.
Tao anatin’ny alahelo tanteraka no nitantaran’ireto mpandraharaha ireto ny fandrobana nihatra tamin’izy ireo. Ankoatra ny fandrobana, ny fahamaizana, ny faharavana fananana manko dia manana olana izy ireo, amin’ny fitantanana ny mpiasa ao aminy. Ny sasany tamin’izy ireo niroso tamin’ny fampitsaharana asa ara-teknika noho ny fatiantoka tsy hita pesipesenina. Ao koa ireo manana olana amin’ny banky noho ny findramam-bola natao, nentina nampihodinana ny asa, saingy izao tra-pahavoazana izao. Mitentim-bidy any amin’ny 200 miliara Ariary moa ny fahavoazana tao anatin’ireny fandrobana ireny. Ny Xinda Chine Mall ohatra, dia efa tao anatin’ny valo taona no nisiany. Efa nandalo krizy toy ny tamin’ny Covid-19, ka tamin’ny taona 2023 vao tafarina tanteraka. Tamin’ity fahavoazana ity anefa, dia nahatratra 100% ny fahavoazana. Ny tamin’ny tranom-barotra lehibe iray teny amin’ny 67 Ha moa, dia toeram-pivarotana miisa 30 no may. Rava vokatr’izany ny fiharian’ireo mpandraharaha madinika tao. Ny teny amin’ny Colisée Antanimora kosa, dia nisy mpandraharaha nitaraina fa tsy hahaloa ny karaman’ny mpiasa no sady tsy hahaverim-bola amin’ny banky.
Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer