
PolitikaSongadim-baovao
FITANTANAN-DRAHARAHAM-PANJAKANA : Noraisinny Filoha Andry Rajoelina ny SYNAD
Nialoha ny fifampiresahana taminny SYNAD na ny (Syndicat des Administrateurs Civils), dia noresahinny Filoha Andry Rajoelina, afakomaly, tetsy aminny Lapam-panjakana Iavoloha fa « mijaly rano ny eto Antananarivo, efa ela. Misy ny atao hoe fanaovana ny Tana Water III hanaovana siniben-drano hatrany aminny 60 000 m3 any. Izany hoe, hampihena dia hampihena ny fijaliana rano eto Antananarivo rehefa vita izany. Tsy ny eto Antananarivo ihany fa maro ny faritra hanaovana izany ». Resy lahatra ny rehetra, hoy izy, ary ny olona afaka mandalina lalina hoe, ny fitakiana izay hataontsika, ny fitakiana izay apetraka, ny rafitra izay hapetraka, dia ifanarahana mihitsy hoe, raha misy zavatra tsy mety eto dia ahitsintsika, hoe inona ary no hanaovana azy, fa tsy mihoatra ny faritra, izay tokony ihoarana ny fangatahana, ny handravana ny rafi-panjakana. Navoitrany fa raha vao misy fiovana tsy mifanaraka aminny lalàmpanorenana, dia mijanona daholo ireo asa sy fotodrafitrasa izay efa mitentina amina miliara maro, izay nifandresen-dahatra taminny Banky iraisampirenena. Mijanona ny RN 10, mijanona ny RN12, mijanona ny RN5, mijanona ny RN6 sy ny karazany, mijanona daholo ireo, izany hoe, hihemeotra isika. Asa afaka firy taona indray izany isika vao handeha indray hijery anizany fotodrafitrasa izany.
Governemanta iraisana
Resy lahatra ny Filoha fa tena nisy ny fitavozavozana tao anatinny fanatanterahana ny asa. Nisy izany, satria tsy tokony ho tonga aminizao zavatra izao mihitsy isika raha ohatra ka nanao ny asa araka ny tokony ho izy, na nanafaingana ny asa araka ny tokony ho izy ny Governemenata. Nambaranny mpikambanny Administratera sivily, Rakotondramanana Solofotahiana Lalaina fa « ny zavatra nihaonana taminny Filoha dia fankaherezana azy ny zavatra sarotra aminizao lalovanny firenena izao aminny maha Raiamandreny azy. Teo koa ny filazalazana sy famahavahana mikasika ny olana izay sedrainny « Administratera sivily rehetra manatanteraka ny asany eto Madagasikara.
Soso-kevitra narosonizy ireo ny firosoana aminny fisokafanny governemanta na ny governemanta iraisana « Gouvernement dunion national », mba hisianny fitoniana sy filaminana. Anisany fepetra notakianizy ireo koa, ny Praiminisitra izay tendrena eo, dia tokony ho olona mpiasam-panjakana ambony, fa tsy sanatria akory olona avy any aminny sehatra tsy miankina na sanatrianizany mpandraharaha ara-toekarena.
Pierre M.




