
PolitikaSongadim-baovao
FIKATSAHAM-BAHAOLANA AMINNY FOTOAN-TSAROTRA: Firaisamonim-pirenena mihoatra ny 60 nifanakalo hevitra tamin’ny Filoha
Taorianny fihaonanny Filoha taminny Sendikanireo Solontenam-panjakana na SYNAD, sy ireo solontenan’ireo Mpandraharaha rava fananana sy ireo Vondrona mpandraharaha, dia ireo avy aminny Firaisamonim-pirenena indray no noraisinny Filoha Andry Rajoelina, ny harivanny sabotsy. Firaisamonim-pirenena mihoatra ny 60, misandrahaka amina sehatra maro, no nifanakalo hevitra taminny Filohanny Repoblika. Niaiky ny Filoha Rajoelina fa mety misy ny lesoka sy ny fitavozavozana teo aminny fitantanana ny Firenena. Ary koa mety nisy ny tsy fifampihainoana, sy ny mangirifirinny vahoaka. Fotoana izao, hoy izy, hanarenana izany rehetra izany. Fotoana izao anasitranana izay mangirifiry ny vahoaka. Tanjonity fihaonana taminny fiarahamonim-pirenena ity, araka izany, ny ifanakalozan-kevitra aminny hoe, ahoana no itondrana vahaolana aminizao fotoan-tsarotra lalovanny firenena izao. Fa eo koa ny hoe, ahoana ny ahafaha-mitondra vahaolana maharitra ho anireo marary ny vahoaka. Anjara andraikitry ny fiarahamonim-pirenena rahateo ny miteny ny zava-misy marina eny anivonny fiarahamonina, indrindra fa ireo tokony hohatsaraina sy arenina aminny fijery mahitsy sy tsy mitanila. Ohatra noraisina moa ny mahakasika ny fanatsarana ny tontolonny fampianarana ambony, sy ny fanomezana asa ireo tanora.
Mila fanovana lalina
Niverimberina matetika tao anatinny fifampiresahana ny hoe mila fanovana lalina ny fomba fitantanana ny Firenena. Araka ny filaza hoe ny savorovorian-kilantoana, dia fotoana ahafahana manatanteraka izany izao olana lalovanny Firenena izao. Nivohitra tao anatinny resaka natao tao Iavoloha ny hoe atao teny ierana ny fitantanana ny Firenena, fa tsy didin-ko fe lehibe. Hevitra narosonny Filoha Rajoelina Andry ny hoe, efa misy ny rafitra voafaritry ny Lalàmpanorenana ahafaha-manatanteraka izany, dia ny Conseil économique, social et culturel. Ny adininy faha 105 ny Lalàmpanorenana no milaza ny adinidininy aminny andraikitrity rafitra ity.
Tsy handika ny voafaritry ny lalàmpanorenana
5 taona ny fe-potoana faritanny Lalàmpanorenana hiasanny Filoham-pirenena, ary nanteriny fa tsy manan-tsaina velively handika izay voafaritry ny Lalàmpanorenana izy. Ny faniriako dia rehefa vita ny fe-potoam-pitantanako dia ho sitrana ireo rehetra mangirifiry ny vahoaka. Ny olanny Jiro sy Rano izay niainganny fitakiana eny an-dalambe », hoy ny Filoha nanazava. Efa misy ireo vahaolana, hoy izy, ary hohafainganina ny fanatanterahana izany. Nanazava ireo tetikasa groupe 105 Mgw sy « parc solaire » 100 Mgw ho anny Tambazotra iraisanAntananarivo na RIA moa ny Filoha. Ho anity « parc solaire » ity, dia efa vita ny antso tolobidy. Rehefa hanomboka ny asa, afaka enim-bolana, dia hipetraka ny 40 Mgw voalohany, ary afaka enim-bolana manaraka ny 60 Mgw. Rehefa ho vita ireo tetikasa ireo dia inoana fa itsahatra ny delestazy, ary anana ambim-bava aza aminny famokarana herinaratra. Mahakasika ny famokarana rano, dia nohazavainny Filoha ireo fiarahamonim-pirenena ny mahakasika ny « Centre de collecte de traitement deau », izay aorina eny AmoronAnkona, hamokatra 60.000 m3 isanandro.
Manaiky ny Filoha fa ara-drariny ny fitakiana mahakasika ny olanny Jiro sy ny Rano satria mangirifiry ny vahoaka izany, ary misy fiantraikany aminny andavanandrom-piainanizy ireo. Nefa tsy mety kosa, hoy izy, ny fanararaotana ara-politika. Manaiky izany koa ireo fiarahamonim-pirenena, izay nihaona taminy tao Iavoloha, ny sabotsy teo. Tsy vahaolana ny hoe fialanny Filoha. Satria raha mivoaka aminizay voafaritry ny Lalàmpanorenana ny fitantanana eto Madagasikara dia efa nilaza ireo mpamatsy vola fa hampiato izany.
Pierre M.




