
PolitikaSongadim-baovao
MAHAJANGA: Nanamafy ny fanohanany ny Filoha Andry Rajoelina
Ankoatra ny teto Antananarivo dia anisan’ny nahitana hetsiky ny mponina ho fanohanana ny Filohampirenena Andry Rajoelina ihany koa ny tany Mahajanga, tamin’ny sabotsy lasa teo. Tao anatin’ny filaminana no nanatanterahan’ireo vahoakan’ny renivohitry ny Faritra Boeny ny hetsika tao Betamanga. Nifandimby nandray anjara fitenenana tamin’izany ireo mpikambana TGV any an-toerana. Izy ireo izay samy niray feo fa tsy vahaolona ny fanonganam-panjakana. “Avelao hanohy ny asany ny Filohampirenena Andry Rajoelina”, hoy izy ireo. Ohatra akaiky noentin’izy ireo nanohanany izany hevitra izany ireo asa marolafy, amin’ny sehatra samihafa, notanterahan’ny Filohampirenena sy ny Fitondram-panjakana tao amin’ny Faritanin’i Mahajanga.
Ankilany, hita taratra tamin’io hetsika io fa mbola maro hatrany ireo vahoaka resy lahatra fa ny Filoha amin’izao fotoana ihany no afaka hitondra fampandrosoana eto Madagasikara. Tsy ilaina, hoy izy ireo, ny fanakorontanana fa avelao hanohy ny fiainany am-pilaminana ny vahoaka. Olona maro mantsy no mitaraina fa leo korontana.
S.S



