
Songadim-baovaoSosialy
LMA AMPEFILOHA: Mitohy ny fampianarana
Nanamafy omaly ny “proviseur” eo anivon’ny Lisea Maoderina Ampefiloha (LMA), Andrianjafy Mamisoa, fa tsy misy ny fiatoan’ny fampianarana ao amin’io sekoly io, araka ny voizina eny amin’ny tambazotran-tserasera fesiboky. Nohazavainny tomponandraikitra fa amin’ny maha liseam-panjakana ato amin’ny Faritra Analamanga ny LMA Ampefiloha dia manaraka izay fanapahan-kevitra avy amin’ny DREN Analamanga izy ireo. Fepetra noraisinan’ny DREN, raha tsiahivina, ny fiverenan’ny fampianarana eny amin’ireo CEG sy lisea rehetra eto amin’ny fari-piadidiam-pampianara Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, nanomboka tamin’ity herinandro ity, raha toa ka mbola miato kosa izany ho an’ireo izay any amin’ny “préscolaire” sy “primaire”. Ho fitsinjovana ireo mpianatra manoloana ny mbola fisianny fihetsiketdehana eto an-drenivohitra kosa anefa, fepetra niarahan’ireo mpampianatra, mpandraharaha sy tomponandraikitry ny sekoly nanapaka ny tsy hisian’ny fampianarana amin’ny tapak’andro hariva, ho fiarovana ireo mpianatra. Ravaina amin’ny 11 ora atoandro ireo mpianatra ary tsy miverina any an-tsekoky indray raha tsy ny ampitso.
Tsara ny manamarika fa nisy omaly ny fanambarana niombonan’ireo mpanabe sy mpandraharaha eo anivon’ny Lisea Maoderina Ampefiloha, nampahafantarana fa hampiato ny fampianarana ao amin’izany sekoly izany izy ireo. Tanjona, hoy izy ireo, ny famerenana ny hasin’ny mpanabe sy ny fanabeazana. Nilaza ny hampiato ny fampianarana izy ireo ary tsy hamerina izany raha tsy voavaly ny fitakian’izy ireo toy ny fampiakarana “indemnités”, fanohizana ny fisitrahanny mpiasam- panjakana ny «indemnité d’installation”, “recrutement systématique” ho an ny «ENF», ary fanaovana “automatique” ny “avancement”.
S.S



