
Songadim-baovaoToekarena
FAMPIAKARANA IREO MILINA MPAMOKATRA HERINARATRA AVY ANY TOAMASINA: Hisy fanelingelenana mandritra ny hateloana ny fifamoivoizana eny aminny RN2
Hafainganina hatrany ireo asa entina hamahana ny olan’ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara. Ho an’Antananarivo manokana dia anisan’ny vahaolana ampiharina, raha tsiahivina, ny fametrahana toby hamokatra herinaratra 105Mw azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Volana maromaro izao no efa nitoby tany aminny seranan-tsamboni Toamasina ireo fitaovana sy milina rehetra ilaina amin’ny fampihodinana io tobim-pamokarana herinaratra io. Sakana tsy nahatontosa ny asa ara-potoana ny faharefoan’ireo tetezana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2), tsy mahazaka ny vesatr’ireo milina hotaterina hiakatra eto an-drenivohitra. Nirosoana indray, araka izany, ny fanamafisana ireo tetezana miisa 13 teny amininy RN2 iny. Tontosa io dingana io ary hiroso amin’ny tena fitaterana ireo fitaovana sy milina ilaina amin’ny fampihodinana ny toby amin’izay ankehitriny. Hanao “convoi exceptionnel” na andiany miaraka ireo fiara vaventy hitatitra ireo fitaovana ireo. Marihina fa mbola andiany voalohany ihany ireo fitaovana hiakatra eto Antananarivo amin’ity herinandro ity ireo.
Nampahafantatra, noho izany, ny teo anivonny Ministeranny Asa Vaventy fa nanomboka omaly ary haharitra hateloana, izany hoe hatraminny rahampitso alakamisy, ny fitaterana ireo fitaovana mavesatra ireo, miainga avy any Toamasina mihazo an’Antananarivo. Vokany, hisy fanelingelenana ny fifamoivoizana eny amininy RN2 iny mandritra ireo fotoana ireo. Amin’ny ampahan-dalana handalovan’ireo “convoi exceptionnel” dia hisy fepetra manokana hifehezana ny fifamoivoizana mba hanomezana lalana azy ireo. Hisy fiara mpanokatra sy mpamarana ny dian’izany vondron’ny fiara vaventy izany. Hisy ny mpitandro ny filaminana handrindra sy handamina ny fizotran’ireo vondron’ny fiara vaventy ireo. Ho an’ny omaly talata dia nahitana izay fanelingelenana izay ny teo anelanelani Toamasina sy Brickaville. Ho an’ny anio kosa dia eo anelanelan’i Brickaville sy Moramanga no hisian’izay fanelingelenana izay, manomboka aminny 05 ora maraina hatraminny 06 ora hariva. Aminio ora mitovy io ihany, saingy eo Moramanga miakatra eto Antananarivo kosa no hisianio fanelingelenana eny an-dalana io ho an’ny rahampitso. Marihina fa miato ny dian’ny vondron’ireo fiara amin’ny alina. “Koa iangaviana isika rehetra hanaraka ny toromarika sy lamina izay omen’ny tompon’andraikitra eny an-toerana. Mametraka ny fialan-tsiny amin’izay mety ho fanelingelenana haterak’izany izahay”, hoy ny tomponandraikitra.
Sarobidy Sidonie.



