Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

FIFANINTSANAN’NY AMBOARA ERANTANY 2026: Isan’ireo hiatrika ny lalao sakana aty Afrika ny Barea an’i Madagasikara

Lavon’ny Barea an’i Madagasikara 2 no ho 1 ny Les Cœlacanthes an’i Comores nandritra ny andro faha-9 eo amin’ny fifanintsanan’ny amboara erantany 2026 notanterahina tao amin’ny Kianja an’i Félix Houphouët-Boigny tao Côte d’Ivoire. Vao nanomboka ny lalao dia niezaka nifehy ny lalao ny Barea an’i Madagasikara na dia mafimafy aza ny fifandonana teny ambony kianja. Nahitam-bokany izany rehetra izany teo amin’ny minitra faha-11, tamin’ny baolina nampidirin’i Clément Couturier tolotra avy amin’ny Warren Caddy. Namaly ny fanafihana nataon’ ny Barea an’i Madagasikara ary saika nahatafadi-baolina ny Les Cœlacanthes an’i Comores soa ihany fa mbola teo i Geordan Dupire mpiandry tsatoby an’ny Malagasy teo amin’ny minitra faha-15.
Na dia totoafo aza ny fanafihana nataon’ i Comores taorian’ io baolina matin’i Madagasikara dia io isa 1 no ho 0 io no nisarahan’ny roa tonta teo amin’ny fizaram-potoana voalohany.
Namiratra i El Hadary
Nifamaliana tanteraka ny fanafihana vao nanomboka ny fizarana faharoa. Ny Malagasy nitady ny baolina faharoa sady niaro ny baolina iray efa tafiditra. Comores kosa dia nitady fatratra ny fanasahalana ny isa teny amin’ny solaitra be. Nisesisesy ny fanoloana mpilalao ho an’ny roa tonta nanomboka teo amin’ny minitra faha-60.
Mbola nampiseho ny matihanina azy indray i El Hadary nandritra ny fihaonana tamin’ny nampidirany ny baolina tamin’ny alalan’ny lohany teo amin’ny minitra faha-73 tamin’ny tolotra avy amin’ny Rado. Tsy nilavo lefona anefa ny Les Cœlacanthes an’i Comores na dia nitarika 2 no ho 1 aza ny Barea an’i Madagasikara. Niezaka ny nanafika hatrany Les Cœlacanthes an’i Comores ka nahitany vokatra tsara izany teo amin’ny minitra faha- 81 tamin’ny baolina nampidirin’i R. Saïd. Io isa 2 no ho 1 iray io no nisarahan’ny roa tonta nandritra ny 90 minitra.
Karatra mena
Nanamarika ity fihaonana ity ny firotsahan’ny orana natevina teny ambony kianja sy ny nahazoan’ny mpiandry tsatoby an’i Comores karatra mena tany amin’ny fotoana fanampiny ny fizarana fotoana faharoa.
Raha ny filaharana vonjimaika ao amin’ny vondrona I dia, mbola mitarika hatrany i Ghana manana isa 22, faharoa ny Barea an’i Madagasikara manana isa 19, fahatelo i Mali amin’ny isa 15, fahaefatra i Comores manana isa 15 ihany koa, Rép. Centrafrique no mitana ny laharana faha-5 manana isa 8 ary mamarana ny filaharana i Tchad amin’ny isa 3.
Hamarana ny fifanintsanan’ny amboara erantany 2026 amin’ny Mali i Madagascar ny 12 Oktobra 2025 amin’ny 10 ora alina.
Njaratiana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer