Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FAMPIASANA VOLA SANDOKA: Lehilahy iray nahatrarana 1 700 000 ariary hosoka tao Analavory
Lehilahy iray 37 taona no voasambotry ny Polisim-pirenena miasa ao amin’ny “Poste de Police” Analavory, ny talata 07 oktobra lasa teo, rehefa voalaza fa nampiasa vola sandoka mitentina 1 700 000 Ariary. Nandritra ny fifampiraharahana tamina fividianana omby tao an-toerana no fantatra fa nampiasan’ity lehilahy ity ireo vola sandoka. Tsikaritry ny tompon’omby anefa, ity teti-dratsiny ity fa tsy tena vola ireo natolony azy ka avy hatrany dia niroso tamin’ny fampandrenesana ny mpitandro filaminana ity farany. Nidina avy hatrany nijery ity tranga fampiasana vola sandoka ity ny Polisy tao an-toerana ka voasambotra tamin’izany tokoa ity lehilahy ity. Taorian’izay dia nentina avy hatrany tao amin’ny Kaomisarian’ny Polisy ao Miarinarivo izy nanohizana ny fanadihadiana. Mbola tratra teny aminy moa io vola sandoka voalaza io. Ny Polisim-pirenena dia manohy hatrany ny ezaka eo anatrehan’ny ady amin’ny fanaovana hosoka sy vola sandoka izay miparitaka amin’izao fotoana amina toerana maro. Mila mitandrina ny rehetra amin’ny fiparitahan’ny vola sandoka fantatra amin’izao fotoana.
S.R




