PolitikaSongadim-baovao

MPITANDRO FILAMINANA MIHOA-PEFY: Hisy fanadihadiana ary handraisana fepetra

Nanatanteraka fidinana teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey, tetsy Analakely, omaly, ny Praiminisitra, ny Jly Zafisambo Ruphin Fortunat Dimbisoa. Fotoana izay nanomezany toromarika mazava sy hentitra an’ireo mpitandro filaminana miasa amin’izao vanim-potoana hisiana fihetsiketsehana an-dalambe izao, mba hitoetra ao anatin’ny fanarahan-dalàna sy fahaiza-manao matihanina ary ny fiarovana ny zon’olombelona.

Niteraka fanehoan-kevitra maro be ny horonantsary niparitaka tany amin’ny tambazotran-tserasera nahitana tovolahy iray nosamborin’ny mpitandro filaminana, narahina herisetra sy fikasihan-tanana, ka torana tsy nahatsiaro tena. Ankoatra izay, dia tranga vitsivitsy koa no niseho tato anatin’ny andro vitsy, izay nahitana fihoaram-pefy ataon’ireo Mpitandro filaminana manao ny asa fifehezana ireo mpanao fihetsiketsehana eny an-dalambe.
Ny zavatra tsikaritra ao anatin’izany dia ny Filoham-pirenena avy hatrany no voatondro molotra rehefa misy ny tranga toy ireny. Ary koa, manaratsy endrika ny firenena malagasy eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Manoloana izany indrindra dia nidina teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, ny Jeneraly Zafisambo Ruphin Fortunat Dimbisoa omaly. Nijery ifotony ny zava-misy teny an-toerana ny tenany, sady nanome toromarika hentitra ireo mpitandro ny filaminana mba hanatanterahan’izy ireo ao anatin’ny fanarahan-dalàna sy ny fahaiza-manao matihanina, ary ny fanajana ny zon’olombelona ny asa fiarovana atao eny an-kianja.
Manameloka tanteraka ny fihoaram-pefy atao ao anatin’ny fifehezana ny asa fiarovana ny Praiminisitra. Araka izany dia nambarany fa hisy ny fanadihadiana lalina sy mahaleotena ho atao mikasika ireo fihetsika mifono herisetra rehetra. Nohamafisiny koa, fa hisy fanaraha-maso sy fandaminana vaovao ho apetraka mba hanatanterahana tsy misy fepetra izany toromarika izany.
LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer