Songadim-baovaoToekarena

JIRO ENY AMIN’NY POLITEKNIKA VONTOVORONA: Tafapetraka ny milina famokarana herinaratra miisa 2

Iray amin’ireo olan’ny tanora mpianatra nifampiresahan’izy ireo mivantana tamin’ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fihaonana tamin’ny alarobia lasa teo teny Iavoloha, ny fahatapahan’ny famatsiana jiro sy rano eny amin’ireo Oniversite saika manerana ny Nosy. Vahaolana naroson’ny Filohampirenena tamin’io andro io ny hoe ny ampitso ihany dia hametrahana milina mpamokatra herinaratra eny amin’ny Politeknikan’ny Vontovorona. Mitovy amin’izany ihany koa ny eny Ankatso sy any amin’ireo Oniversite rehetra manerana ny Nosy izay misedra olana mifandraika amin’io fisitrahana herinaratra io.
Ho fampiharana izany indrindra dia naharay toromarika avy amin’ny Filoha ry zareo avy amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, mba hanombohana avy hatrany ny asa mifandraika amin’ireo sy hamahana haingana ireo olanan’ny jiro sy rano eny amin’ny Oniversite. Tamin’ny alakamisy lasa teo, noho izany, dia nidina teny amin’ny Politeknika Vontovorona ireo ekipa ao amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony, niaraka tamin’ny Ministeran’ny Rano sy ny Jirama, nanombana ny toerana azo hanaovana “forage” (fatsakana) sy azo hametrahana ny “parc solaire”. Izany hoe hahaleotena tanteraka amin’ny lafiny herinaratra atsy ho atsy ny Oniversite satria hiodina amin’ny alalan’ny angovo azo avy amin’ny masoandro.
“Mandra-piandry ny fahavitan’ny fametrahana izany anefa dia miezaka handefa milina famokarana herinaratra aloha ny Fanjakana mba hiantohana ny tsy fisian’ny fahatapahana aty amin’ny Oniversite”, hoy ny fanazavan’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa Pr Chaminah Loulla. Araka izany, tamin’ny alakamisy lasa teo ihany dia efa tafapetraka teny amin’ny Politeknikan’ny Vontovorona ireo milina mpamokatra herinaratra miisa 2. Hiantoka ny famokarana herinaratra rehefa tojo fahatapahana ireo milina ireo. “Miantso anareo mpianatry ny Politeknika Vontovorona aho hifanolo-tanana amin’ny fanatanterahana ireo asa. Tena ilaina amin’izany ireo traikefa sy fahaizana noratovinareo. Andeha isika hiaraka hanarina izao toe-java-misy izao”, hoy ny antson’ny Filoha miantefa any amin’ireo mpianatra.
S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer