Songadim-baovaoSosialy
FANAMBARAN’IREO HOLAFITRA MIISA DIMY : Hanatanteraka hatrany ny asany ireo Mpiasan’ny fahasalamana
Eo anatrehan’ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny, dia nanao fanambarana ireo mpitantana ny holafitra rehetra misahana ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara, omaly, ary miray feo tanteraka ao anatin’izany. Tafiditra ao anatin’izany ny Holafitry ny mpampivelona eto Madagasikara, ny Holafitry ny farmasianina eto Madagasikara, ny Holafitry ny dokotera mpitsabo nify sy ny ativava eto Madagasikara, ny Holafitry ny mpitsabo eto Madagasikara, ary ny holafitry ny Infirmiera. Izy ireo izay niara-miombona alahelo amin’ireo namoy havana, ary nirary fahasitranana ho an’ireo naratra. Nampahery manokana an’ireo mpiasan’ny fahasalamana any amin’ny asa fitsaboana izy ireo izay voasembatsembana tamin’ny fanatanterahana ny asa.
“Izahay mpiasan’ny fahasalamana rehetra, dia vonona hatrany, ary manome toky fa hanatanteraka mandrakariva ny adidy masina izay iantsorohanay”, hoy ny Dr Rabemananjara Daniel, Filohan’ny Holafitry ny Mpitsabo Nify sy ny Ativava eto Madagasikara, izay nitondra ny tenin’ireo Holafitra rehetra.
Manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena, anefa dia nanameloka izy ireo an’ireo olom-pirenena tsirairay avy, na mpiasan’ny fahasalamana, na hafa, tamin’ny tsy fandraisana andraikitra manoloana ireny olona mila vonjy aina ireny. Io ilay antsoina hoe “Non assistance d’une personne en danger”. Nomelohin’izy ireo tanteraka ihany koa ny fikasihan-tanana ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra eo am-panatanterahana ny asany, sy ny fanohintohinana miseho eny amin’ny toeram-pitsaboana maro samihafa, amin’ny endriny rehetra. « Raisinay ho fanaovana tsinontsinona ny adidy sy andraikitra masina izay iantsorohanay izany », hoy ny fanambarana.
Toherin’izy ireo marindrano ihany koa ny fampiasan-kery , na fanakorontanana, na avy amin’iza na avy amin’iza, amin’ireny toeram-pitsaboana sy ny manodidina azy ireny. Mangataka ireto mpiasan’ny fahasalamana ireto ny andraisana fepetra sy hiarovana ireo mpiasan’ny fahasalamana, ny hopitaly, ny toeram-pitsaboana rehetra, sy ny manodidina azy.
« Isika rehetra dia manana adidy feno sy tanteraka mitandro ny aina , ny fahasalamam-bahoaka, ary indrindra, ny fijerena manokana ireny toeram-pitsaboana rehetra ireny », hoy hatrany izy ireo.
LR.




