
PolitikaSongadim-baovao
SYNAD: Mijoro ho hery manolo-kevitra hisian’ny filaminana sy ny fampandrosoana ny firenena
Namoaka fanambarana ny teo anivonny Sendika nasionalinireo Administrateurs civils (SYNAD), omaly. Voalaza tao anatinizany, fa mijoro ho hery manolo-kevitra hisianny filaminana sy ny fampandrosoana ny firenena izy, manoloana ny toe-java-misy aminizao fotoana eto aminny firenena. Manoloana ny raharaham-pirenena misy ankehitriny io, ny SYNAD dia nampatsiahy ny tsy fitanilanan’ny antokon’asa “Administrateurs civils” araka ny fianianana izay nataony, dia ny hikatsaka mandrakariva ny tombontsoan’ny daholobe. Tsy natao hanompo fitondrana fa natao hanompo Fanjakana, ny Repoblika sy ny vahoaka malagasy. Faharoa, na eo aza ny hoe feom-bahoaka feon’Andriamanitra”, ka mba ho famahana tanteraka ny krizy, ny SYNAD dia mitaona ny mpisehatra rehetra tsy hionona amin’ny vahaolana tsy maharitra fa hikatsaka mafy kosa ny fanavaozana lalina mba tsy hiverimberenan’ny krizy intsony eto Madagasikara, ho tombontsoan’ny taranaka fara aman-dimby. Fahatelo, ho fanarenana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny SYNAD dia tsy manaiky ny tsindry aloka politika izay atao amin’ireo namana “Administrateurs Civils” manatanteraka ny asany araka ny lalàna velona. Fahefatra, mitaky ny hamoahana tsy misy hatak’andro ireo namany izay voafonja noho ny resaka politika ihany koa izy. Fahadimy, mitaona ny Solontenam-panjakana rehetra, ny Prefe, ny Prefe polisy, ary ny Lehiben’ny distrika rehetra amin’ny maha kitro farany ifaharan’ny firenena azy ireo mba hanao vaindohan-draharaha hatrany ny fampandehanan-draharaha faobe eny ifotony ka hametraka paikady mahomby hanoherana izay mety ho endrika fandrobana, miaraka amin’ny hery Fiarovana sy Filaminana ho fiarovana ny olom-pirenena sy ny fananany.
Hanamora ny fifampiraharahana rehetra takiana mba hamahåna haingana ny filàna fotony tena ilain’ny vahoaka. Fahaenina, ny Sekretera Jeneraly no misahana vonjimaika ny fitantanana ny minisitera mandra-pitsangan’ny governemanta vaovao. Fahafito, takianizy ireo ny fanajana ny fiandrianam-pirenena eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Fahavalo, tokana ary iray tsy mivaky ny SYNAD, ka ny birao nasionaly no rafitra fanapahan-kevitra farany iarahan’ny « Administrateurs Civils » rehetra manerana an’i Madagasikara. Fahasivy farany, ny SYNAD maneho ny fahavononana hiara-hiasa amin’ny tanora, amin’ireo Raiamandrenim-piangonana sy ara-drazana, amin’ny teknisiana sy ny hery velona rehetra, ary ireo rehetra izay mety ho mpitarika amin’ny fanelanelanana. Vonona ny handray anjara mavitrika amin’ny fifanakalozan-kevitra rehetra ho fanarenam-pirenena, ary ho amin’ny tombotsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka malagasy. Imaso mahefa, ivoho mahavita! ny « Administrateurs Civils » tsy tia lainga”. Miondrika am-panajana amin’ireo rehetra nindaosin’ny fahafatesana ary maneho fiaraha-miory amin’ny fianakaviana mana-manjo nandritra ny savorovoro nisy teto amin’ny firenena, mirary fahasitranana haingana ho an’ireo izay naratra ary mankahery hatrany ireo izay rava fananana. Ny Filohanny SYNAD, Rakotondramanana Solofotahina Lalaina, no namaky ny fanambarana, ary natrehanny birao teny aminny Minisiteranny Atitany Anosy.
Stan R.




