
PolitikaSongadim-baovao
MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA: « Miasa ny Polisy hisorohana ny mety ho fandikan-dalàna
Anisanny Hery fiarovana sy filaminana akaikinny vahoaka ny Polisim-pirenena, eo anatrehanny fiarovana azy sy ny fananany. Nitafatafa taminireo vahaoka tonga teny aminny Parvis Analakely, omaly alahady, ny Minisitra, ny Contrôleur général de Police, Randriambelo MandimbinNy Aina, izay nanamafy taminizy ireo, fa miasa ny Polisim-pirenena mba hisorohana ny mety ho fandikan-dalàna na fanararaotana tsy hisianny korontana. Ireo mpikarakara ny hetsika omaly teny an-toerana moa, izay nangataka fiarovana manokana, ary nekenny Minisitry ny Filaminambahoaka izany, noho ny maha fanomezam-boninahitra ireo lavo nandritra ny hetsika. Manoloana ireo zava-nitranga teto Antananarivo nanomboka taminny fisianny hetsika ny 25 Septambra teo, dia nambaran-dRamatoa Minisitra, fa mila mandray andraikitra ny rehetra mba tsy hisianny fandrobana sy fanakorontanana na fanimbana fananana iombonana sy fanananolon-tsotra. Nanome toky anefa, ny Minisitra fa eo hatrany ny Polisim-pirenena miasa ary miaro anireo manao ny hetsika. Tsy tokony hisalasala hanatona ireo Polisy izay miantrana handamina sy hiaro ireo mpanao hetsika raha misy tranga mampiahiahy, hoy izy. Nohamafisinny Minisitra, fa mijoro hatrany aminny filamatra entiny, dia miasa sy miaro ary manampy ny vahoaka ny Polisim-pirenena. Ny Minisitra sy ny Tale jeneralinny Polisim-pirenena, ny Contrôleur général de Police, Rakotozanany Dany Marius, no tomponandraikitra niara-tonga teny aminny Parvis, omaly maraina io, manoloana ny hetsika nisy teny an-toerana.
S.R



