
PolitikaSongadim-baovao
VONDRON’NY RANO SY NY ALA: Miainga avy eny Nanisana ny fibaikoana, mitsahatra ny fanomezana fahazoan-dalana rehetra
Manana ny sata maha “para-militaire” ny vondron’ny Rano sy ny Ala. Anjara asan’izy ireo ny miaro sy manome lanja ny ala, ary ny harena voajanahary, izay miantoka ny fampiasa azy ara-drariny. Isan’ireo seha-pamokarana stratejika, izany hoe mampidi-bola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana, ny sehatra sahanin’ny vondron’ny Rano sy ny Ala. Iankinan’ny fisian’ny rano, ny velontena sy ny filàn’ny vahoaka malagasy maro, ary ireo fihariana samihafa izany. Ankilany anefa dia nanao fanambarana omaly, teny Nanisana, ireo vondron’ny Rano sy ny Ala ireo fa natao ambanin-javatra hatrany izy ireo tao anatin’izay 15 taona lasa izay. Manoloana izany indrindra dia nanolo-kevitra izy ireo mba ho fanarenana ny rafitra hitondrana ny sehatry ny rano sy ny ala. Ary ireo hevitra ireo dia takian’izy ireo mba ho raisin’izay mpitondra hifandimby manaraka eo. Mizara 5 mazava tsara ny tolo-kevitra ka voalohany ny hoe mila rafitra manokana mazava araka ny sata maha “para-militaire” azy ny vondron’ny Rano sy ny Ala. Faharoa ny fampiakarana amin’ny toerana sy lanja sahaza azy, amin’ny maha seha-pamokarana stratejika, ny “rang protocolaire” misy ny sehatry ny Rano sy ny Ala. Fahatelo ny fitakian’izy ireo mahakasika ny hoe olona avy ao anatin’ny vondron’ny Rano sy ny Ala ihany no tendrena hitantana ny rafitra. Tsy maintsy laniana tsy misy fepetra ny sata mifehy ny vondrona izay efa voafaritra ary efa eny anivon’ny CSFOP. Farany, manamafy ny fitakiana amin’ny fampitomboana isa ireo teknisianin’ny Rano sy Ala ny vondrona, ary mitaky ny hanomezena “Postes Budgétaires” isan-taona ho amin’izany.
Mandra-pijoron’io rafitra manokana io, araka izany, dia niarahan’ny rehetra nanapaka fa miainga avy ao Nanisana avokoa ny fibaikoana ny vondron’ny Rano sy ny Ala manerana ny Nosy. Ny fibaikoana dia nomena ny manana grady ambony indrindra ka ho voatendry ho eo amin’io andraikitra io ny Ingénieur Prines Eaux et Forêts de classe exceptionnelle IPEF Rabenasolo Solofoniaina Eric Olivier. Nambaranity farany fa mandra-pilamin’ny toe-draharaha dia tohizanz sy hamafisina ny fiarovana sy fanaraha-maso ny harena voajanahary. Tsy azo ekena ihany koa, hoy izy, ny fanararaotana ny zava-misy ankehitriny mba handrobana sy hanimbana ny ala sy ny harena voajanahary izay tsy maintsy andraisana fepetra afaka ny lalàna manankery. Farany, fepetra noraisina ihany koa ny fampitsaharabana ny fanomezana fahazoan-dalana rehetra amin’ny fampiasana ny vokatry ny ala, ary miandry ny fandaminana avy amin’ny tompon’andraikitra.
S.S




