
PolitikaSongadim-baovao
VEHIVAVY MALAGASY MPITARIKA: Miantso ny hisian’ny fitoviana eo amin’ny fandraisana anjaran’ny vehivavy
Manoloana ireny tranga niseho teto aminny firenena hatraminny faranny herinandro teo ireny dia manao antso avo ho aminny fandriampahalemana hatrany, ho anny fanelanelanana ary ny fandraisananjaranny rehetra aminny fitantanana, ry zareo vehivavy malagasy mpitarika mivondrona ao aminny “Femmes Leaders Malagasy”. Nohamafisinizy ireo ihany koa fa ny fisorohana ny ady sy ny famerenana indray ny filaminana dia mitaky ny fandraisananjaranny vehivavy aminny ambaratonga rehetra. Mba hisorohana ny firongatry ny herisetra dia manolo-kevitra aminny fanokafana sehatra hifampiresahana ny vehivavy mpitarika malagasy. Sehatra iraisanny hery politika, ny fiarahamonim-pirenena sy ny tanora ary ny antokom-pivavahana. Ireo vehivavy manana traikefa aminny fanelanelanana dia vonona ny handray anjara aminizany. Ary nohamafisinny vondrona hatrany koa ny fitakiana ny fandraisana anjara marina sy mitovy lenta ho anny vehivavy aminny dingana rehetra hivoahana aminny krizy. Manaraka izany, tokony hatsangana hoy ny “Femmes Leaders Malagasy” ny sampana fanaraha-maso misahana ny fampiharana ny Demokrasia sy ny fandriampahalemana ho anny vehivavy. Izany no natao dia ny mba hiantohana ny mangarahara sy ny fitohizanny fandraisanandraikiny.
S.S



