Songadim-baovaoSosialy

FAHASALAMAN’NY MPIASA: Nametrahana OSTIE eny foiben’ny Star Andranomahery

Manaraka ny fenitra ISO 45001 ny orinasa Star eo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny fiarovana ny asa. Ho fanatanterahana izany dia nametrahana toeram-pitsaboana OSTIE ao amin’ny foiben’ny orinasa sy ny sampana ao Andranomahery-Andraharo. Ataon’ny orinasa laharam-pahamehana, araka izany, ny fahasalamana sy fiarovana amin’ny fanatanterahana ny asa. Io toeram-pitsaboana io dia hanampy amin’ny fanomezana fitsaboana haingana sy tsara kalitao ho an’ny mpiasa, iarahana amin’ny ekipa mpitsabo sy ny fitaovana maoderina. Manamora ny fizahana ara-pahasalamana alohan’ny fidirana amin’ny asa izany, ary manatsara ny fisitrahan’ny mpiasa fitsaboana mendrika, ka mametraka ny Star ho isan’ny mpampiasa mendrika indrindra eto Madagasikara.

Ankoatra ny fotodrafitrasa, io orinasa lehibe mpamokatra zava-pisotro eto Madagasikara io dia mandray anjara mavitrika amin’ny hetsika fisorohana sy fanampiana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Mikarakara fanomezan-drà matetika ireo mpiasa, ary mandray anjara amin’ny hetsika fanentanana toy ny «Oktobra Mavokely» ho an’ny fitiliana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon-tranonjaza, ary ny «Novambra Manga» ho an’ny fahasalaman’ny lehilahy. Amin’ny alalan’ireo hetsika RSE kosa indray, ny orinasa dia manohana asa fitsaboana, miara-miasa amin’ny hopitaly sy toeram-pahasalamana maro manerana ny Nosy.
Manana vina ny hanitatra tsikelikely ireo tolotra ara-pahasalamana ho an’ny mpiasa rehetra sy ny fianakaviany manerana an’i Madagasikara moa ny Star.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer