
Songadim-baovaoSosialy
FANABEAZANA SY FIAHIANA NY ZAZA MADINIKA: Tsy misy afa-tsy 0,3% ny tetibolan’ny fanabeazam-pirenena
Miantoka ny fivelaran’ny zaza iray manontolo ny fametrahana tetibola sahaza dieny izy mbola bitika. Nohazavain’ireo manam-pahaizana amin’izany fa eo anelanelan’ny fahaterahany hatramin’ny fahatelo ny taonany no tena mivelatra ny sain’ny zaza. Feno tanteraka ny sainy rehefa tonga eo amin’ny fahadimy ny taonany. Rehefa tsy ampy, araka izany, ny tetibola entina hanohanana azy mandritra ireo taona voalohan’ny fiainany ireo dia mandringa ny fiveleran’ny zaza iray. Raha ny zava-misy eto amintsika anefa dia 0,3%-n’ny tetibolan’ny fanabeazam-pirenena ihany ary 0,041% amin’ny tetibola ankapoben’ny Fanjakana no natokana ho an’ny fanabeazana sy fiahiana ny zaza madinika. Fehiny, raha te hanatsara io fanabeazan ny zaza madinika io hoy ny nambaran’i Rado Raveloarijaona talen’ny “Action Education” eto Madagasikara, dia tsy mantsy hampitomboana ny tetibola entina hampiharana ireo tetikasa.
Manoloana izany indrindra no antony nametrahana ny tetikasa IEPPE na “Investir dans l’Education et la Protection de la Petite Enfance”. Tetikasa nampiharina nanomboka tamin’ny taona 2022, tany amin’ireo EPP miisa 20 ao amin’ny Cisco Ambohidratrimo sy Cisco Antsirabe II. Mamatsy vola izany ny «Action Education» eto Madagasikara sy any Burkina Faso ary ny AFD. Tanjon’ny tetikasa ny hanomezana fanabeazana mendrika sy tsara kalitao ho an’ireo zaza eo anelanelan’ny 3 hatramin’ny 8 taona. Izany hoe manomboka any amin’ny garabola hatrany amin’ny CP1 na CP2. Mampiavaka io tetikasa io ny fanatsarana ny fitohizan’ny fanabeazana eo anelanelan’ny kilasy garabola sy ny ambaratonga fototra.
Nifarana ny 30 septambra lasa teo moa ny IEPPE. Nisy, araka izany, ny atrikasa iraisam-pirenena notanteraka teto Antananarivo izay nampivondronana mpisehatra maro toy ireo Ministera voalasik’izay fanabeazana izay, ireo mpamatsy vola ny fanabeazana ary ireo mpikatroka amin’ny fiarahamonim-pirenena. Tamin’izany indrindra no nifampizarana ireo vokatra azo tamin’ny fampiharana ny tetikasa, fanomezana sehatra ireo fomba tsara fanao izay nozarain’ireo fikambanana tsy miankina. “Nahafa-po ny vokatra”, hoy hatrany ny talen’ny “Action Education” eto Madagasikara. Anisan’ireo asa notanterahana tany amin’ireo EPP niasana ny fanomanana ireo Ray aman-dReny amin’io fiampitan’ny zanany ao amin’ny garabola io mankany amin’ny ambaratonga fototra. Natao izany tamin’ny alalan’ny fizarana fitaovana feno soa hanarahana ny fivoaran’ireo zaza any an-tsekoly amin’ny lafiny maro. Anisan’ny asa natao ihany koa ny fampiofanana miaraka ireo mpanabe any amin’ny garabola sy ireo mpampianatra any amin’ny ambaratonga fototra. Tanjona amin’izany ny hampifanarahana sy hampitohizana ny fahalalana zarain’izy ireo amin’ny ankizy. Soa noratovina tamin’ny tetikasa koa ny fahazoana fotodrafitrasa sy fampandraisan’anjara ireo Kaominina ao anatin’ny fampiasam-bola amin’ny fanabeazana sy fiahiana ireo zaza madinika.
S.S




