Songadim-baovaoToekarena

MITAO FORECAST AFRICA : Nandrombaka ny amboaran’ny POESAM nasionaly 2025

Mitao Forecast Africa no nandrombaka ny amboaran’ny Poesam 2025 na ny « Prix Orange de l’Entrepreneur Social en Afrique et Moyen-Orient » andiany faha -15. Ity andiany faha-15 ity izay nampiseho indray ny herin’ny famoronana sy ny fahasahiana amin’ireo tanora sy mpandraharaha malagasy mitondra vahaolana manova fiarahamonina.
Tetikasa manavao, mampifandray ny teknolojia sy ny toetr’andro, hanampiana ny vondrom-piarahamonina hialoha lalana amin’ny loza ara-tontolo iainana, no naroson’ireo tanora ka nahazoany loka voalohany 10 000 000 Ar, Flybox iray, internet maimaimpoana mandritra ny herintaona ary fanohanana avy amin’ny Orange Fab.
Vahaolana manamora ny fisitrahana rano fisotro madio, fototry ny fahasalamana sy ny fampandrosoana eny ifotony noketrehan’ny Rano’O by Omnitech no nitana ny laharana faharoa ary Tetikasa miady amin’ny fandotoana plastika, manova ny fako ho lasa loharanom-pivelomana sy vahaolana maharitra natolotry Plastikôo no nahazo ny laharana fahatelo.
Rano’O by Omnitech kosa no nahazo ny loka ho an’ireo vehivavy mendrika.
Tsara tsiahivina fa ny POESAM dia tsy fifaninanana fotsiny, fa sehatra fanandratana tanora mpamorona. Amin’ity andiany 2025 ity, Mitao Forecast Africa sy Rano’O by Omnitech no nisolo tena an’i Madagasikara amin’ny dingana iraisam-pirenena, miaraka amin’ireo tetikasa mendrika avy amin’ny firenena hafa.
Misokatra ho an’ny tanora mihoatra ny 21 taona : mpianatra, mpiasa, na mpandraharaha ny POESAM. Manome sehatra ho an’ny vehivavy mpandraharaha ihany koa izy, ho mariky ny fitovian’ny zo sy ny fahafahana.
Tao anatin’ireo 251 tetikasa nalefa tamin’ity taona ity, 163 dia nentin’ny vehivavy mariky ny firoboroboan’ny fandraharahana ataon’ny vehivavy eto Madagasikara.
Misy fiantraikany lehibe eto an-toerana ny POESAM. Efa 14 800 mahery ny isan’ny kandidà nandray anjara teto Madagasikara. Maherin’ny 60 no efa nahazo loka ara-bola, ary tetikasa 100 mahery no nahazo fanohanana manokana avy amin’ny Orange Madagascar sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, hanamafisana ny fivoarany sy ny fiantraikany eny amin’ny fiarahamonina.

Njaratiana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer