Songadim-baovaoSosialy

FANABEAZANA: Manana tombony kokoa ireo mpianatra nandalo garabola

Voaporofo tao anatin’ny tetikasa IEPPE (Investir dans l’Education et la Protection de la Petite Enfance), notanterahana nandritra ny telo taona ary nifarana nandritra ny volana septambra lasa teo, fa laharam-pahamehana ny filofosana amin’ny fanabeazana sy fiahiana ny zaza madinika. Iray amin’ireo sehatra ampiharana izay fiahiana ny zaza madinika izay ny any amin’ny kilasy garabola (préscolaire). Manana tombony kokoa, araka izany, ireo mpianatra nandalo tao amin’izany garabola izany, mitaha amin’ireo zaza tonga dia miditra ao amin’ny kilasy voalohany (T1).

EPP miisa 20 tao amin’ny Cisco Ambohidratrimo sy Cisco Antsirabe II moa no nampiharana ny tetikasa IEPPE. Anisan’izany ny tao amin’ny fiadidian’ny lehiben’ny ZAP Anosiala, Hery Rakotoanosy. Nohazavainy fa misy fahasamihafana eo amin’ny mpianatra iray nandalo garabola sy ny tonga dia niditra tao amin’ny kilasy T1. Samy hafa na ny fomba fihetsika aza, hoy ny fanazavana, satria ny zaza nandalo garabola efa zatra miara-miaina amin’ny namany, raha toa ka mbola manavao ireo zaza miditra avy hatrany any amin’ny kilasy T1. Hita taratra izany any amin’ny ankamaroan’ireo sekolim-panjakana izay mbola vitsy no ahitana io kilasy garabola io ary feno 6 taona vao tafiditra ao amin’ny kilasy voalohany. Hita ihany koa io fahasamihafana io eo amin’ny lafiny fampianarana manoratra voalohany ny zaza, hoy hatrany ny fanazavana.

Araka izany, anisan’ny nivoitra tao anatin’ny tomban’ny fampiharana ny tetikasa IEPPE ny fihatsaran’ny kalitaom-piainan’ireo zaza madinika mandalo garabola. Notanterahana tamin’ny zoma lasa teo, teto Antananarivo, izay fanaovana tombana ny tetikasa izay, niarahana tamin’ireo mpikatroka sy mpandray anjara rehetra. Nahatratra 90% farafahakeliny ny vokatry ny fampiharana ny tetikasa, hoy ny fanazavana nentin’i Rado Raveloarijaona talen’ny “Action Education” eto Madagasikara izay anisan’ny mpamatsy vola ny tetikasa. Ankoatra ny fanatsarana ny kalitaom-piainan’ny zaza madinika dia nahafahana nampisitraka fotodrafitrasa sahaza azy ireo ihany koa ny IEPPE, nanome fanofanana mpanabe, ary nanamafy ny fandraisan’anjaran’ireo Ray aman-dReny amin’ny fanaraha-maso ny fikoloana ny zanany. Ny tetikasa no mifarana fa tanjona kosa ny hampaharitra sy hitohizan’ireo vokatra tsara nositrahana.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer