PolitikaSongadim-baovao
HONORE RAKOTOMANANA : “Tsy mandika lalàna ny mpitondra ankehitriny…”
Nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika ny firosoana amin’ny fanatanterahana ny Fifidianana Loholona ny Senatera, sady mpahay lalàna, Honoré Rakotomanana. Nambarany nandritra izany fa tsy misy fandikan-dalàna mihitsy ny dingana efa nirosoana momba ny fikarakarana ny fifidianana amin’ny 11 Desambra ho avy izao. Nanomboka hatrany amin’ny fandaniana ilay volavolan-dalàna laharana 001/2020 izany, ka hatramin’izao…
Nahitsy ny Loholona Honoré Rakotomanana raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny faran’ny herinandro teo, mahakasika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, sy ny fikarakarana ny fifidianana Loholona. Notsiahiviny teo am-piandohana fa nanaraka ny Lalampanorenana ny Antenimierampirenena raha nandany ny volavolandalàna laharana 001/2020, satria efa narahana izay voalazan’ny andininy faha-96, izay milaza fa raha ohatra ka tsy mahatafavoaka izay teny ikambanana mitovy ireo solon-tenan’ny antenimiera roa tonta ao anatin’ny Vaomiera ikambanana isasahana, dia mivory ny Antenimerampirenena ary manana ny teny farany mahakasika izany. Isany nanoheran’ny parlemantera sasany ity volavolandalàna ity ny filazana fa tsy manana fahefana andinika io izy ireo. “Aiza ny andininy ao amin’ny Lalàmpanorenana milaza fa tsy manana fahefana andinika volavolandalàna ny Vaomiera Ikambanana Isasahana ?”, hoy Honoré Rakotomanana. Tsy mitombina, araka izany, iny fanambaran’ny parlemantera mpanohitra iny. Efa lany, hoy izy, iny volavolan-dalàna iny, ary efa nankatoavin’ny HCC, araka ny fanapahana tamin’ny 04 Septambra 2020, izay nivoaka ho lalàna laharana 2020-12.
Mila mahay mamaky sy mandinika lalàna
Etsy ankilany, mahakasika ny filazana fa tsy ara-dalàna ny fanatanterahana ny fifidianana Loholona amin’ny 11 Desambra, satria tsy mbola tsy feno ireo mpifidy vaventy, dia nambaran’ny mpahay lalàna Honoré Rakotomanana ihany koa fa tsy mitombina. Marina fa araka ny andininy faha-80 ao amin’ny lalàna fehizoro, tamin’ny 03 mars 2015, dia tsy ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsain’ny tanàna ihany no mpifidy vaventy, fa ny lehiben’ny faritra sy ny mpanolontsaina koa, ary eo koa ny lehiben’ny faritany sy ny mpanolontsain’ny faritany. Izao anefa, ny andininy faharoa, amin’ny hitsivolana tamin’ny 28 Mai 2019, dia milaza fa atao ny fifidianana Loholona raha vao vita ny fifidianana Kaominaly. Tsiahivina koa, fa ny 27 Novambra 2019 no nanaovana fifidianana ben’ny tanàna teto amintsika, ary ny 08 Janoary vao tonga tsikelikely ny valim-pifidianana. Antony maro anefa no tsy nahafahana niroso tamin’ny fifidianana izay ho solontenam-paritra sy ny faritany taorian’izany. Voalohany, ny mety ho fisondrotran’ny tetibolam-panjakana, izay nambaran’I Honoré Rakotomanana fa mety mbola azo nialana ihany. Fa koa, nisy ny valanaretina Covid-19 izay tsy nahafahana nanao na inona na inona. Io ilay antsoina hoe trangan-javatra tsy azo anoharana. Manampy ireo, tsara ho fantatra fa misy fomba famakiana sy fandinihana azy ny lalàna. Ohatra amin’izany ny andininy faharoa amin’ny hitsivolana 28 mai 2019, izay mandidy avy hatrany ny tokony hanaovana ny fifidianana, fa tsy nanome alalana fotsiny ihany. Feno araka izany ny fepetra tsy maintsy hirosoana amin’ny fifidianana Loholona, ary tsy misy eritreritra ny handika izay voalazan’ny lalàna mihitsy.
Tamin’ny Oktobra 2017 no tena nisy amboletra
Ny tena tsy fanarahan-dalàna, hoy Honoré Rakotomanana, ny tsy fanatanterahana ny fifidianana Loholona, kanefa efa tapitra ny fe-potoam-piasan’ny am-perinasa ankehitriny. Ity tompon’andraikitra ity izay nanao jery todika ny zava-nisy teto amin’ny firenena, indrindra tamin’ny fe-potoam-piasan’ny Fitondrana teo aloha izay nahitana tsy fanarahan-dalàna sy amboletra samihafa. “Naninona no tsy vita nandritra ny 5 taona ny fifidianam-paritra sy ny faritany? Kanefa efa noresahako sady efa nahalala tsara ny lalàna mifehy izany Andriamatoa Henry Rabary Njaka sy ny mpanolotsain’I Rivo Rakotovao io, tamin’izany fotoana”, hoy ny fanazavany. Amin’izao fotoana izao, mbola tsy voapetraka akory ny filankevitra ara-toekarena, ara-tsosialy sy ara-koltoraly, izay voalazan’ny andininy faha-105 ao amin’ny Lalampanorenana, hoy hatrany ny fanazavana. Mahakasika ny filazan’ireo parlemantera sasany fa manao amboletra amin’ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny 11 Desambra ny mpitondra ankehitriny, dia nahitsy ny tenany nilaza fa tamin’ny Oktobra 2017 no amboletra lehibe indrindra voalohany niseho teto Madagasikara. Amboletra izay saika nihatra aman’aina mihitsy, hoy izy. Mbola nisy koa izany tamin’ny fomba nananganana ny Vaomiera ikambanana isasahana, teo anivon’ny Antenimierandoholona, araka ny fanazavany. Eo anatrehan’izany, nilaza ity senatera ity fa tsy vahaolana ho an’ny Firenena mihitsy ny hisian’ny korontana amin’izao vanim-potoana izao. Ary tsy fotoana tokony mbola hirosoana amin’ny fandravana ny Ceni koa amin’izao fotoana izao, satria mety hanitatra ny fe-potoam-piasan’ny Loholona ankehitriny izany. Ary indrindra, tsy vahaolana ny fialan’ny Filoham-pirenena ankehitriny satria efa mandeha ny asa fampandrosoana rehetra.




