
Songadim-baovaoSosialy
OLAN’NY TSY FAHAMPIAN-DRANO: Vahaolana stratejika ny tontolo iainana
« Ministera fototra lehibe ity Ministera ity», hoy ny nambaran’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy vaovao Manesimanana Rafanomezantsoa Michaël. Tontosa omaly, araka izany, ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny Minisitra teo aloha Max Andonirina Fontaine. Tamin’io omaly io indrindra no nanazavan’ny Minisitra vaovao fa anisan’ny antony nitarika iny krizy iny ny olan’ny tsy fahampian’ny rano fisotro madio. Noho izany dia vahaolana stratejika ny sehatry ny tontolo iainana satria miantokana ny famokaran-drano ny fikajiana azy, iankinanan’ny aim-bahoaka sy mamelona ny mpiray tanindrazana.
Ankilany, nanambara hatrany ny Minisitra vaovao Manesimanana Rafanomezantsoa Michaël fa misokatra ho an’ny fifampiresahana rehetra ny tenany. Misokatra ho an’ny fiaraha-miasa sy ny fihainoana ireo fitakiana anatiny.
Ato anatin’ny fohy ezaka kosa, laharam-pahamehana ny tsy hisian’ny fahabangan’ny asa sy ny hitohizan’izany. Asa maika miandry ny ady amin’ny doro tanety sy ala izay mirongatra amin’izao fotoana.
S.S




