
Songadim-baovaoSosialy
SEHATRY NY ASA: Hamoraina ny famoronan’asa ho an’ny tanora
Nahavita ny fifamindram-pitantanany omaly ihany koa ny Minisitry ny Asa, ny Fampananana’asa sy ny Asam-panjakana teo aloha Hanitra Fitiavana Razakaboana sy ny Minisitra vaovao Florent Soatiana Bety Leonne. Filamatra hoenti-miasa ny fanavaozana, ny fihainoana sy ny fijerena ny vahoaka eny ifotony, hoy ny nambaran’ny Minisitra vaovao. Nohazavainy fa maro ireo very asa vokatr’iny krizy niseho teto amin’ny firenena iny. Nampian’ireo izay efa tsy an’asa nisy hatramin’izay. Manoloana izany, raisina ho laharam-pahamehana mandritra izao fotoam-piasan’ny Minisitra vaovao izao ny famoronan’asa ho an’ny tanora. Hotanterahana izany miaraka amin’ny fifanomezan-tanan’ireo mpiara-miombona antoka maro. Nomarihin’ny Minisitra anefa fa tsy mamorona asa ny Ministera saingy kosa mamolavola ny politika manamora io famoronan’asa io.
Asa miandry ny mpitantanana vaovao ihany koa ny fanohizana hatrany ny fanisana ireo mpiasam-panjakana. Tsiahivina fa tsy nisy ny fandraisana mpiasam-panjakana vaovao nandritra ny fotoana lavalava noho ny mbola fisian’io fanadiovana io. Ny fahavitan’io fanisana mpiasam-panjakana io, araka izany, dia hahafahana mahazo antontanisa mazava sy hahafahana mandray ny fepetra mifanaraka amin’ny mety ho fandraisana mpiasam-panjakana vaovao na tsia.
S.S



