Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

ORANGE KILONGA MKANETY BE U17: Nobatain’ny ekipan’ i Betafo ny amboaran’ny andiany faha-5

Notanterahina nanoloana ny Gare tao Antsirabe ny 30–31 Oktobra sy 1 Novambra 2025 teo ny andiany faha-5 teo amin’ny « Orange Kilonga Mkanety Be U17 ».
Nisongadina tanteraka ny ekipan’i Betafo nandritra ny fifaninanana nanoloana ireo nahatonga solontena avy any amin’ny faritra niatrika ity fifaninanana « Orange Kilonga Mkanety Be U17 » ity toa an’i Toliara, Fianarantsoa, Majunga, Vakinankaratra, Ihosy, Itasy, Toamasina ary Antananarivo.
Raha ny vokatra nandritra ny fifaninanana dia, Tsito avy Toliara no nibata ny amboara teo amin’ny « Concours de tirs » rehefa avy nandresy an’i Betafo teo amin’ny lalao famaranana.
Nomena an’i Lova Mahefa avy any Menabe kosa ny « Révélation de l’édition 2025 » noho ny fahaiza-manaony sy ny fahavononany ary Toliara no nahazo ny loka ho « Meilleur Coach » tamin’ity taona ity.
Nahitana endri-dalao tsara ny lalao famaranana izay nifandonan’ i Betafo sy Mahajanga. Lavon’i Betafo 13 no ho 11 i Mahajanga nandritra ny lalao famaranana teo amin’ny « Orange Kilonga Mkanety Be U17 » andiany faha-5 ity.
Ankoatra ny lalao, dia nisy ihany koa ny fandraisan’anjaran’ireo mpanohana toa an’i ARO, Homeopharma, ary Kefir, izay nanohana sy nanao fanentanana manodidina ny fahasalamana sy ny fiainana ara-pahasalamana ho an’ny tanora sy ny mpijery.
Nampiavaka ity andiany 2025 ity ihany koa ny tolotanana manokana ho an’i Sanatra Michael, tanora iray tokony handray anjara tamin’ny fifaninanana « Orange Kilonga Mkanety Be U17 » saingy tojo tsy fahasalamana tany am-piandohana. Naneho firaisankina sy fitiavana lehibe tamin’izany ireo mpilalao sy ny mpijery teo anoloan’ny Gara Antsirabe.
Hanana ho avy mamiratra ny tontolon’ny « Pétanque » eto Madagasikara raha ny vokatra sy fahaiza-manao nampisehoan’ireo kilonga U17 nandritra ity hetsika “Orange Kilonga Mkanety Be U17” ity, izay manamafy indray ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena ho an’ny tanora malagasy, amin’ny alalan’ny fanohanana avy amin’ny Orange Madagascar sy ny mpiara-miombon’antoka aminy.

Njaratiana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer