PolitikaSongadim-baovao
FARITRA BONGOLAVA : Andalam-pahavitany avokoa ireo tetikasan’ny Filoham-pirenena
Mitohy hatrany fanatanterahan’ny Fanjakana ny fampanantenana natao tamin’ireo vahoaka isam-paritra. Ho an’ny Faritra Bongolava manokana, efa mandeha ny asa fampandrosoana toy ny kianja manarapenitra. Eo koa ny fanaovana ny toeram-pamonoana omby, ny siniben-drano, ny trano vaovaon’ny polisim-pirenena, tranon’ny fizahantany izay efa saika andalam-pahavitana daholo. Tsy voatery niainga avy amin’ny Fanjakana foibe daholo koa anefa fa misy ny tetikasa izay miainga avy eo anivon’ny Faritra mihitsy. Izany rahateo no tena fitsinjarampahefana, ary efa nisy mihitsy tetibola natolotra ny faritra mahakasika izany. Ho an’i Bongolava manokana, efa hanomboka avokoa ireo tetikasan’ny Faritra, toy ny fanamboarana ny lalàna Pavé 1,5 Km ao an-tampon-tanànan’I Tsiroanomandidy izay hanomboka amin’ity herinandro ity. Antony nanaovana io tetikasa io ny fanatsarana ny tanàna, sy amin’ny maha renivohi-paritra an’I Tsiroanomandidy, araka ny fanazavan’ny Governora.
Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
Nisy ny Tatitra Loabary andasy nokarakarain’ny zanaky ny Faritra Bongolava teo Antaninarenina ny sabotsy, nentina nakana ny hevitry ny zanaky ny faritra sy ny mponina ifotony amin’ny fampandrosoana ity faritra ity. Fotona izay natrehin’ny Governoran’i Bongolava, Général Joseph Ramiaramanana. Nisy ny fananganana vaomiera efatra tamin’izany, dia vaomieran’ny Fandriampahalemana, tanora sy ny fampandrosoana, fitantanana, ary ny ara-toekarena. Tanjona ny hitondrana hevitra hahafahana manampy ny mpitondra amin’ny asa fampandrosoana. Nilaza ny Governoran’ny Faritra Bongolava fa misokatra amin’ny mpisehatra rehetra ny tenany amin’izay mety fiarahamiasa hampandrosoana ity faritra ity. Fotoana izay nanambarany ireo paikady entina miady amin’ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. Nambarany fa fanabeazana tsy ampy, tsy fahampiana, na koa finiavana hangalatra mihitsy no mahatonga ny asan-dahalo any amin’ity faritra ity. Any amin’ireo tanàna ivelan’ny renivohi-paritra no tena hisehoan’ny asan-dahalo amin’izao fotoana izao. Eo anatrehan’izany, hisy ny tetikasa hampanaovina ny mponina amin’ireny tanàna ireny, toy ny fambolena, ny fanamboarana lalàna. Tanjona ny hahazoan’izy ireo traikefa sy karama hahafahany mamelona ny tenany, ka tsy hironan’izy ireo amin’ny fanaovana asa ratsy sy ny herisetra. Etsy ankilany, tsy maintsy hamafisina ny fanaraha-maso sy ny fampiharana ny lalàna ho an’ireo mpanao ratsy. Ary mety hiafarana amin’ny fifandonana, izay tsy tanjona velively, hoy ny Governora.




