Trangam-piaraha-monina

AMPITATAFIKA : Môtô telo indray very tao anatin’ny indray alina

Nirongatra ny halatra môtô ho an’Antananarivo sy ny manodidina. Teny Ampitatafika, môtô telo indray very tao anatin’ny indray alina. Isan’ny faritra mena amin’ny halatra môtô koa eny Ampandrana sy Besarety iny. Tokony ho mailo ny rehetra…

Isan’ireo môtô very afakomaly teny Ampitatafika.

Mirongatra ny halatra môtô any amin’ny faritra Ampitatafika sy ny manodidina. Raha ny zava-niseho afakomaly, môtô telo no indray very tao anatin’ny indray alina tao Avaratetezana Ampitatafika. Ny manaitra amin’ity zava-miseho ity, teo an-tokotany ireo môtô roa ireo no indray nalain ‘ireo mpangalatra, izay tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Tsy lavitra ny toerana nisy ny fangalarana ireo môtô ireo, lasibatra koa ny môtô iray ana tokantrano iray, tsy lavitra ny nisehoan’ny fahaverezana. Ny mahagaga, mbola ao anatin’ny antsoina hoe « couvre feu » ny fotoana hanatanterahan’ireo olon-dratsy ny fangalarana môtô, izay mipetraka any anaty tanàna. Tsy ny eny amin’ny faritra Ampitatafika iny ihany no ahitana firongatry ny halatra môtô, fa saika manerana ny faritra maro eto Antananarivo. Ho an’Antananarivo renivohitra, isan’ireo faritra  malaza amin’ny halatra môtô sy faritra mena mihitsy, ny any amin’ny faritra Besarety, Ampandrana, Antaninandro, Andravoahangy, hatrany Anosibe…

Ho an’ny eny amin’ny faritra Besarety iny, manao andiany mihitsy ireo mpangalatra môtô, miaraka tsitelotelo izy ireo no manao ny asa fangalarana. Vao ny sabotsy alina lasa teo, môtô iray no nobatain’ireo mpangalatra, izay nifanenjehana. Vaky nandositra ireo  mpangalatra, izay nitsoaka any amin’ny lalana mitsofoka ny fiangonana FPVM Antaninandrano iny. Tokony ho adiny iray taorian’izay anefa, nisy olona voaendaka teo amin’ny Besarety, mihazo an’Ampandrana iny. Midika tanteraka izany, fa isan’ireo faritra mena amin’ny halatra môtô iny faritra Besarety sy Ampandrana iny.

Hatrany amin’ny faritra…

Ilay jiolahy mpangalatra môtô sarona tany Antsiranana II.

Tany amin’ny distrikan’Antsiranana II, lehilahy iray no tra-tehaka ny Zandary avy ao amin’ny « Brigade territoriale » Anaborano Ifasy, nandritra savahao natao. Voasambotra tamin’izany  ny jiolahy iray nangalatra môtô marika « France rider 150cc » sy « tablette Samsung » iray. Ny alakamisy  10 septambra 2020, dia tonga tao amin’ny « Brigade territoriale » Anaborano Ifasy, ny Ramatoa iray nametraka fitoriana sy nitondra taratasy fanamarinana ireo entana ireo, izay mipetraka any amin’ny fokontany Antafiamalama distrikan’Antsiranana II iny. Raha ny loharanom-baovao azo tamin’olona tsara sitrapo, any Anaborano Ifasy no nisy nahita, io môtô, izay very tamin’ny volana avrily 2020 lasa teo io.

Taorian’ny fahazoan’ny Zandary ny taratasy fitarainana  tao an-toerana, niroso avy hatrany tamin’ny fitadiavana entana izy ireo, ka izao tratra tamin’ny lehilahy iray io entana voalaza fa very. Noho ny fifanakalozam-baovao matotra no nahitana ilay olon-dratsy, ka entanina hatrany havitrika amin’ny fanomezana loharanom-baovao ara-potoana, mba hahafa-mamongotra ny asa ratsy.

Fermer