PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA LOHOLONA : « Azo hirosoana na tsy feno aza ny mpifidy vaventy”, hoy ny Filoha lefitry ny Ceni
Mbola vaovao mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny mahakasika ny firosoana amin’ny fifidianana Loholona, araka izay voalazan’ny lalàna. Misy ireo mitsipaka izany, ary milaza mihitsy fa manao amboletra ny Fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ity fifidianana ity, noho ny mbola fisian’ireo toerana tsy manana ben’ny tanàna sy mpanolo-tsaina kaominaly. Nilaza ny filoha lefitry ny Ceni vaovao omaly, fa tsy sakana amin’ny firosoana amin’ny fifidianana ny fisian’ireo toerana mbola tsy manana ben’ny tanàna.
Tsy sakana amin’ny fanatanterahana fifidianana Loholona ny zava-misy ankehitriny, araka ny fanehoan-kevitry ny Filoha lefitry ny Ceni vaovao, Benaivo Andrianaly Narcisse. Mitovy amin’ny fifidianana rehetra efa niseho teto amin’ny firenena io, hoy izy. Nambarany fa tsy voatery ny olona rehetra akory no voasoratra ao anaty lisi-pifidianana, fa izay ara-dalàna ihany. Araka ny fanehoan-kevitr’ity tompon’andraikitra ity, noho izany, tsy sakana ny mbola tsy fisian’ny mpifidy vaventy amin’ny toerana sasantsasany eto Madagasikara. Fa ireo ben’ny tanàna sy ny mpanolontsain’ny tanàna efa mijoro ankehitriny dia afaka manatanteraka izany. Raha tsiahivina, ny Praiminisitra Ntsay Christian koa dia efa nanambara izany ny Alahady teo, nandritra ny fandaharana manokana nataony. Nolazainy fa tsy tokony hampiova ny voka-pifidianana ireo toerana vitsivitsy mbola tsy misy mpifidy vaventy ankehitriny. Ny mpahay lalàna, sady Loholon’I Madagasikara, Honoré Rakotomanana koa dia efa nanamafy izany, izay nanambara fa noho ny toe-javatra tsy azo anoharana misy eto amin’ny tany sy ny firenena no tsy nahafahana nanatanteraka fifidianana namenoana araka ny tokony ho izy ny lisitr’ireo mpifidy vaventy. Ny lalàna ihany koa anefa no mametra ny fe-potoam-piasan’ny Loholona. Izany hoe, fandikan-dalàna ny fanitarana izany. Dikany, tsy maintsy hirosoana ny fifidianana ireo izay handrafitra vaovao indray ny Antenimierandoholona.
Tsotra kokoa ny fanomanana
Tsara ho fantatra fa teknisianina efa niasa sy nisehatra tamina toerana maro I Benaivo Andrianaly Narcisse. Eo anatrehan’izany, nitsotra ity tompon’andraikitra ity fa tokony ho tsotsotra kokoa ny fanomanana ity fifidianana Loholona ity satria ireo mpifidy vaventy ihany no hifidy. Tsy mitovy amin’ny fifidianana rehetra nisy farany teo ity hatao ity, hoy izy, toy ny fifidianana filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka ary ny Kaominaly, izay nampiasana ilay lisi-pifidianana izay nampiteraka resabe teto amin’ny tany sy ny firenena. Tsiahivina fa lany ho solontenan’ny Antenimierampirenena ho eo amin’ny toeran’ny Filoha lefitry ny Ceni I Benaivo Andrianaly Narcisse, taorian’ny fialan’ny filoha lefitra teo aloha. Efa nitazona toerana ambony maro teto amin’ny firenena ny tenany, indrindra teo amin’ny tontolon’ny fikarakarana fifidianana, toy ny teo anivon’ny minisiteran’ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana. Mialohan’ny handraisany ny asany, amin’ny maha filoha lefitry ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana azy, dia didian’ny lalàna amin’ny fanaovana fianianana ny tenany. Fianianana izay tontosa omaly maraina tetsy amin’ny Fitsarana Tampony Anosy, natrehan’ny mpitsara, ny procureur general, ny mpitahiry ny tombonkasem-panjakana sady minisitry ny Fitsarana, Andriamahefarivo Johnny Richard, ny Filohan’ny Ceni sy ireo mpiara-miasa aminy, ny Filohan’ny HCDDED, ary ny Minisitry ny Filaminambahoaka sy ireo olo-manankaja maro.




