SamihafaSongadim-baovaoSosialy

“CLEAN UP DAY” KOPAKELATRA: Tavoahangy plastika 400kg mahery voaangona

100 taona fara fahakeliny vao levona ny tavoahangy plastika iray raha arina eny rehetra eny fotsiny. Misy aza maharitra hatramin’ny 900 taona mihitsy. Midika izany fa anisany singa lehibe mahatonga ny fahapotehan’ny tontolo iainana ny tavoahangy plastika. Ary tsy ny olona miaina ankehitriny ihany no mizaka ny vokatr’izany, fa hatrany amin’ny taranaka faha-16 mbola ho avy koa. Antony nametrahan’ny orinasa Star ny tetikasa Kopakelatra. Ity farany izay nandray anjara tamin’ny « World Clean Up Day ». Araka ny fanazavana, novaina ny fanamarihana tamin’ity taona ity, izay nafantoka manokana tamin’ny fanentanana ny mponin’Antananarivo amin’ny fanangonana ny tavoahangy plastika eny amin’ireo toeram-panangonana. Tsiahivina fa efa heritaona izao no nisy ny toeram-panangonana tavoahangy plastika Kopakelatra manerana an’Antananarivo. Manatona ny vahoaka kokoa ireo baka fanangonana amin’ny alalan’ny « Caravane Clean Up Day Kopakelatra» ny andron’ny sabotsy 19 septambra lasa teo, tamin’ny lalan’Ambohimanarina, 67 ha ary Ampefiloha. Ny tanjon’ny hetsika dia ny fanentanana ny olon-drehetra hanatitra ireo tavoahangy plastika efa niasa manodidina azy. Mahazo « bon d’achat » mitentina 100 000 ariary ireo izay mitondra tavoahangy betsaka indrindra amin’ireo toerana telo hijanonan’ny « Caravane ». Tratra ny tanjona tao aorian’ny hetsika satria dia maro ireo nazoto nandray anjara ary mihoatran’ny 400 kilao kosa ireo tavoahangy plastika voaangona tamin’ireo toerana telo nandalovana.             

Fermer