PolitikaSongadim-baovao

HAINTRANO MISESY TAMIN’NY ONIVERSITE : Mpanolotsaina manokan’ny Filoha teo aloha no ao ambadika

Nisesisesy ny fahamaizana trano tamina Faritra maromaro manerana ny Nosy, nanomboka ny volana septambra no ho mankaty. Lasibatra tamin’izany ny Oniversiten’i Toliara sy Antananarivo. Tsy mandeha ho azy ny fahamaizana, fa misy ny Rangory fototry ny afo. Mpanolotsaina manokan’ny Filoha teo aloha no ao ambadiky ny loza iniana atao. Tafiditra ao anatin’ny teti-dratsy koa ny handorana ny Oniversiten’i Toamasina, raha ny fanadihadiana lalina…

Mitady hevitra anakorontanana ireo fanetriben’ny Firenena ! Nitrangana haintrano misesisesy naharavana fananana hatrany, tany amin’ny Faritra sy teto Antananarivo. Isan’ny lasibatra ny Oniversite. Antapitrisany ny tentim-bidin’ny entana levon’ny afo, ankoatra ny fahasimban’ny fotodrafitrasa. Araka ny fanadihadiana lalina natao, mpanolotsaina manokan’ny Filoha teo aloha no ao ambadik’ireo fandorana tranon’ny mpianatry ny Oniversite, niseholany tany Toliara sy teny amin’ny Onivesiten’Antananarivo, ny herinandro lasa teo. Ny zava-doza, tafiditra ao anatin’ny paika maloton’izy ireo koa, ny handorana ny Oniversite any Toamasina. Raha ny zava-niseho tamin’ireo fahamaizana, miainga avy amin’ny trano tsy misy olona hatrany no iavian’ny afo ary matetika tsy fipoahan’ny herinatra no mahatonga ny afo mirehitra.

Voatonontonona ao ambadika izao loza iniana atao izao, ny mpanolotsain’ny Filoha iray teo aloha, efa nigadra tamin’ny 2019, nefa mbola manohy ny tetikady maloto hatrany. Tanjona, ny fiketrehana fanonganam-panjakana,  isan’ny fivoriana miafina natrehin’ity mpanolotsaina manokana ity izany.  Mody fandoroana trano no tiana apetraka, nefa zavatra hafa mihitsy no tian-kahatongavana, dia ny fanonganam-panjakana. Isan’ny nivoaka tao amin’io fivoriana miafina io, ny handorana Oniversite, mba hampitroatra ireo mpianatra.

Mila fahamailoana fatratra…

Efa niharan’ny fahamaizana ny tranon’ny mpianatry ny Oniversite Toliara sy Antananarivo. Mila mailo, araka izany, ny any amin’ny Oniversiten’i Toamasina, izay tafiditra ao anatin’ny teti-dratsy. Raha ny fanadihadiana, mampiasa fitaovana mora mirehitra ireo mpandoro, satria miainga avy amin’ny toerana tsy misy olona ny afo, tonga dia ny « Bloc » iray manontolo no indray mipoaka, ao anatin’ny fotoana fohy.  Raha ny angom-baovao hatrany, nanatanteraka fihaonana tamina tomponandraikitra ambony, tao amin’ny Oniversiten’i Toamasina io mpanolotsaina manokan’ny Filoha teo aloha io, hanomanana ny fandorana tranon’ny mpianatry ny Oniversite any Toamasina. Raha ny kajikajin’izy ireo,  ato ho ato izany, ka mila fahamailoana fatratra, ary hanaovana antso avo mihitsy, mba tsy hampitera-doza. Na izany aza, efa mandray an-tanana ny famotorana sy ny fanadihadiana ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena.

Ny angom-baovao marim-pototra, nanamafy fa nivezivezy tamin’ireo Oniversite telo ireo ity mpanolotsaina manokan’ny Filoha teo aloha ity. Tombanana ho politika avo lenta ny toe-draharaha, ary tafiditra tanteraka amin’ny paikady maloto ketrehin’ireo antoko roa mitonona ho mpanohitra amin’izao fotoana. Isan’izany ny fiketrehana fanonganam-panjakana amin’ny fomba hafa. Iray amin’ireny ny tsy haneken’ny HVM sy ny TIM ny hanaovana fifidianana loholona amin’ny desambra. Koa raha sanatria ka hitranga izany, dia izy ireo no tsy maintsy hitondra vonjimaika ?

 

NY Fanoratana

Fermer