KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
MISS MADAGASCAR 2020: Nahazo ny fanohanan’ny Minisitera tompon’andraikitra

Tonga nanatanteraka fitsidihina sy fihaonana tamin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Andriatongarivo Lalatiana ny Oliravina (Miss) Madagasikara 2020, Nellie Anjaratiana, izay hisolo tena an’I Madagasikara any amin’ny fifaninanana “Miss Monde”. Amin’ny maha fifaninanana Oliravina maneran-tany azy, ankoatra ny hatsaram-bika aman’endrika, isan’ny hitsarana ireo mpifaninana misolo tena ny firenena niaviany ihany koa ny fahaizana manohan-kevitra amina tranga iray izay mety hampisy sakana amin’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny. Teo anatrehan’izany, nosafidian’i Nellie Anjaratiana manokana, ny tranga any amin’ny tapany Atsimo atsinanan’ny Nosy iny, indrindra ao amin’ny Distrikan’i Mananjary, Faritra Vatovavy Fitovinany, manoloana ny fitazomana hatrany ny fomba amam-panao hatramin’izay amin’ny tsy fahafahana mitazona zaza kambana. Zava-dehibe, hoy izy, ny fanohanana ity lohahevitra sy tranga iray ity, izay misy fiantraikany goavana amin’ny tontolon’ny Kolontsaina Malagasy mihitsy. Tetsy ankilany, naneho fahavononany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana, hanohana izany lohahevitra nosafidian’ny Oliravina Madagasikara 2020 izany. Nambarany fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fampivoarana ny sehatry ny Kolontsaina amin’ny ankapobeny mihitsy, ny fahasahiana mitondra tranga tahaka ity any Mananjary ity. Raha tsiahivina, tamin’ny alalan’ny fampiasana ny anterineto no nanatanterahana ny fifaninana izay hisolo tena an’i Madagasikara amin’ity Miss Monde ity, noho ny toe-draharaha nitranga tamin’ny firenena maro.



