
PolitikaSongadim-baovao
« CODE MUNICIPAL D’HYGIENE »: Tsy fitadiavam-bola fa fefy ho an’ny fiarahamonina
Niteraka resabe ary nahazoan’ny mpitantana ny tanàn’Antananarivo ankehitriny fanakianana mavaivay ny fisian’ilay fitsipi-pifehezana ara-pahadiovana sy ara-pahasalamana na ilay antsoina hoe “code municipal d’hygiène”. Isany voaresaka be indrindra tamin’izany ilay andininy faha-19 mahakasika ny fiompiana alika. Araka ny voalazan’io andininy io, “ireo tompony sy mpiompy biby, indrindra ny alika dia tsy maintsy mandray ireo fepetra rehetra mba hisorohana ny fanelingelenana ny manodidina. Tsy maintsy manao ny fomba rehetra hanerena ireo biby tsy hikorontana miverimberina, sy mafy, toy ny fampiasana fehivava, ny fanofanana, indrindra koa ny fampidirana azy an-trano raha hiala amin’ny toeram-ponenany ny tompony”. Mazava ho azy, misy ny sazy ho an’ireo rehetra mandika izany. Misy mandika vilana anefa io andininy io. Ary misy mihitsy ireo minia mamadika izany ho resaka fitadiavam-bolan’ny kaominina. “Tsy fitadiavam-bola, tsy ny sazy sy ny lamandy no zava-dehibe, fefy ho antsika rehetra ireny fitsipika hapetraka ireny”, hoy Pascal Rasaony, tompon’andraikitra eo anivon’ny Kaominina, sady mpanolontsaina teknikan’ny kabinetran’ny tanàna.
Nanatsara ny mpitantana ny tanàna
Marihana fa tsy ny mpitantana ankehitriny no nametraka voalohany ny “Code municipal d’hygiène”. Tamin’ny taona 1969 no namolavolana voalohany ity fitsipika ity, tamin’ny alalan’ny Polisy ara-pahasalamana tamin’izany fotoana. Ny taona 2013, narafitra no boky izany, ary misy eo amin’ny 103 no isan’ny andininy ao anatiny. Ny volana Mai 2020 kosa no nitondra fanatsarana ny mpitantana ny tanàna ankehitriny, tamin’ny andininy miisa 20. Mbola notsindrian’ity tompon’andraikitra ity fa tsy fitadiavam-bola no anton’ny fanatsarana, fa famerenana ny fitsipika. Niaiky ity tompon’andraikitra ity fa tsy araka ny tokony ho izy ny toerana misy ny renivohitra ankehitriny. Ohatra amin’izany ny fahatsentsenan’ny lakan-drano, ny fahateren’ny arabe, sy ny sisa. Tsy afaka ny hanome tsiny na iza na iza anefa, hoy izy, fa vahaolana kosa no tsy maintsy haroso. Isan’izany ny fametrahana fitsipika mba hiarahan’ny rehetra miaina, sy ho tombontsoan’ireo mponina mahatratra 1,5 tapitrisa monina eto Andrenivohitra, sy 3 tapitrisa mifamezivezy. Araka izany, rehefa hanan-kery ity fitsipi-pifehezana ara-pahadiovana sy ara-pahasalamana ity, dia ny tale misahana ny lalàna eo anivon’ny CUA no mitsirika izay mety ho tsy fanarahandalàna misy. Anjaran’ny vondron’ny polisy monisipaly kosa indray ny fampiharana ny lalàna.
Fampiofanana tompon’andraikitra
Ho fampahafantarana sy fampahalalana ity “Code municipal d’hygiène” ity, natao nanomboka omaly, ny fiofanana ho an’ny sokajin’olona tompon’andraikitra amin’ny toerana maro, ahitana solontena avy amin’ny zandarimariam-pirenena, kaomisarian’ny boriborintany eto Antananarivo Renivohitra, ny avy eo anivon’ny Bianco, ireo Tale mpitantana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, sy ny sisa. Ity fiofanana ity dia ampahany voalohany amin’ilay sokajim-piofanana miisa 12 ho tanterahan’ny Kaominina ao anatin’ny fanatanterahana ilay fitsipi-pifehezana ara-pidiovana sy ara-pahasalamana. Ny kaominina no mikarakara ny fampiofanana, saingy tohanan’ny FES kosa. Mahatratra eo amin’ny 610 eo ny mpandray anjara. Satria mahatratra 125 ireo ao anaty sokajy voalohany, ary tsy maintsy hajaina koa ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra, dia nozaraina andiany roa, ny fanatanterahana ny hetsika.




