Politika

MADAGASIKARA – KOREA ATSIMO : Maro ny sehatra niaraha-niasa teo amin’ny roa tonta

Handao tsy ho ela an’i Madagasikara ny Ambasadaoro koreanina Tatsimo. Tonga nanao veloma ny minisitry ny Fiarovam-pirenena izy afakomaly, sy nanao jery todika ny sehatra niaraha-niasa, indrindra amin’ny lafiny fiarovam-pirenena…

Efa an-taonany maro ny fiaraha-miasa teo amin’i Madagasikara sy Korea Atsimo.

Nahatontosa ny iraka nampanaovina azy ny Ambasadaoro koreanina, ka tonga nanao veloma ny Jly Rakotonirina Richard, Minisitry ny Fiarovam-pirenana  omaly. Nisaoran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena tamin’ny zava-bitany teto anivon’ny sehatry ny fiarovam-pirenena, ny ambasadaoron’i Korea Atsimo SE Atoa Lim Sang-Woo, izay handao tsy ho ela an’i Madagasikara. Nanomboka ny volana janoary 2018 ny masoivoho Koreanina Tatsimo, Andriamatoa Lim Sang-Woo no niasa teto Madagasikara. Efa hatramin’ny taona 1963 no nisy ny fifandraisana ara-diplaomatika tamin’ny Firenena roa tonta, saingy nangatsiatsiaka izany.  Ny taona 1993 indray vao niverina tamin’ny laoniny ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.

Maro ny sehatra niaraha-niasa fa nanana tombony tamin’izany ny sehatry ny fiarovam-pirenena. Ny taona 2019, nisy ny fampianarana haiady Taekwando no nanaovana fampisehoana mirindra nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena, teo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, tamin’ny herintaona, ka isan’ny angady nananana sy vy nahitana izany ity masoivoho ity. Nisaotra azy tamin’ny ezaka nataony tamin’ny fiaraha-miasa ara-tafika sy ny fiarovam-pirenena ny Minisitra. Handao an’i Madagasikara tsy ho ela Atoa Lim Sang-Woo ka nanao veloma ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, teny amin’ny trano fonenany teny Ambatovinaky.

Fermer