SamihafaSongadim-baovaoSosialy

EKIPA MALAGASY ROBOTIKA: Nitsidika ny orinasam-pamokarana rano fisotro vokarin’ny STAR

Isa iray monja sisa no tsy maha tafiditra ny ekipam-pirenena malagasy Robotika eo amin’ny toeran’ny voalohany maneran-tany amin’ilay fifaninanana “First Global Challenge”. Hatreto, mbola misy an’I Chile sy Bangladesh eo alohan’I Madagasikara, izay samy laharana voalohany amin’ny isa 74. Mendrika, noho izany, ny ekipa malagasy. Antony nahatonga ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hanohana azy ireo. Mahakasika izay indrindra, nisy ny fitsidihana nataon’ny ekipa malagasy Robotika ny ozinina SEMA Eau Vive Andranovelona, omaly. Teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolotsaina tanteraka ny hetsika. Araka ny fanazavana, tanjon’ny fitsidihana ny hahafahan’izy ireo mijery mivantana ireo milina miasa ary handraisan’izy ireo hevitra entina hamitana ny fanamby faha-dimy amby roapolo amin’ity fifaninana iraisam-pirenena ity. Tsara ho fantatra fa ity no herinandro farany amin’ny fifaninanana. Tetsy ankilany, fifaliana hatrany ny handraisan’ny STAR ireto tanora misehatra eo amin’ny teknolojia vaovao, ary hantenain’izy fa hitondra haingavao ho an’ny indostria malagasy ireo tanora ireo afaka taona vitsy. « Reharehan’ny malagasy sy ny STAR ny Ekipa Robotika, satria mitondra avo ny voninahim-pirenena, izay ao anaty laharaha dimy voalohany foana. Tohananay hatramin’ny faran’ny fifaninana ny ekipa ROBOTIKA » hoy Seheno Randriambolamanana, Communication Manager STAR .

Misy hifandraisany betsaka amin’ny fifaninanana

Ankoatra izay, velom-pisaorana ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ireo tanora ao amin’ny ekipa malagasy Robotika, indrindra amin’ny fanohanana mafatra-po ataon’ny minisitera azy ireo satria misy fiantraikany azo tsapain-tanana amin’ny fahombiazana amin’ny fifaninanana izany. Naharitra ora roa ny fitsidihina izay nahaliana ireo tanora satria lafin-javatra maro tamin’ireo hitany tany an-toerana no misy hifandraisana betsaka amin’ny fiatrehana ny fifaninana « First Global Challenge”, raha tsy hilaza afa-tsy ny rindran-damina teknika sy ny « automatisation » mampihodina ny ozinina.

Fermer