PolitikaSongadim-baovao

FANATANTERAHANA VELIRANO: Miroso amin’ny fampandrosoana avy eny ifotony ny Fanjakana

Miroso amin’ny fanatanterahana dinik’asa hiarahana amin’ireo mpisehatra any ifotony isan-tsokajiny ny Fanjakana, ankehitriny. Misy fomba fijery vaovao mahakasika ny atao hoe fitsinjaram-pahefana, nosoritan’ny filohan’ny Repoblika, hoy ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, omaly, izay ao amin’ny Velirano faha-12. Voafaritra mazava tsara fa ny fahaveloman-tena ny Faritra iray na ny Kaominina iray no vinan’ny Filoham-pirenena, izany hoe ireo vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana. Ary koa, fomba fiasa vaovao ny fampandraisana andraikitra azy ireo, izay antony hanatanterahana ny dinikasa. Nisantarana izany ny Distrikan’Ankazobe. Nisy, noho izany, fidinana ifotony nataon’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, niaraka tamin’ny Governoran’Analamanga sy ireo mpiara-miasa aminy, nahafahana nihaona tamin’ireo mpitondra any ifotony. Tetsy ankilany, nisy koa ny fijerena ny fandroson’ny fotodrafitrasa samihafa.

Fihaonana amin’ny mpitondra eny ifotony

Nohamafisin’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana fa ny tena fitsinjaram-pahefana marina dia tsy maintsy miainga avy any amin’ny ifotony. Izay vao afaka mampandroso ny firenena iray manontolo. Antony nifanankalozana hevitra tamin’ireo mpisehatra isan-tsokajiny, toy ny ben’ny tanàna sy ireo mpanolotsain’ny tanàna, hatramin’ireo « service technique deconcentré ». Tsara ho fantatra fa mifanindra andalana tokoa ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanapariaham-pahefana. Nandritra ny fihaonana, samy nilaza ny hetahetany sy ny zavamisy any amin’izy ireo avy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Distrikan’Ankazobe. Tamin’ny ankapobeny, saika nitovitovy avokoa ny olana sedrain’ny kaominina any an-toerana, ohatra amin’izany ny Lalana sy ny rano fisotro madio. Tetsy ankilany, nahavelom-panantenana ireo ben’ny tanàna ny nahare fa hisy fitaovana fanamboaran-dalana (engins) dimy isaky ny Faritra hatolotry ny Fitondram-panjakana amin’ny fanaovana ireo Lalana isaky ny Faritra.

Mitana ny teny nomeny ny Filoha

Ho an’ny Distrikan’Ankazobe manokana, afaka roa volana eo dia ho vita tanteraka ary azo ampiasaina ny kianja manarapenitra, izay napetraka ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra. Tetikasa izay tafiditra ao amin’ny Velirano faha-13 nataon’ny Filoha. “Raha misy mitazona ny teny nomeny dia ny Filoha Rajoelina”, hoy ny Governoran’Analamanga, nandritra ny fitsidihana ity fotodrafitrasa ity. Hatreto, 75%-n’ny “Tribune” no efa  vita. Efa voapetraka ny vatokely eo amin’ny kianja. Ary olona matihanina nahazo ny fankatoavana avy amin’ny Fifa no manao ny asa. Notsiahivin’ny Governora fa tsy io ihany no Kianja manarapenitra hapetraky ny Fitondram-panjakana fa mbola misy 32 hafa manerana an’i Madagasikara. Etsy ankilany, efa vita koa ny Tsena manarapenitra ao an-tampon-tanànan’Ankazobe.

Fermer