Songadim-baovao

VONDRONA EOROPEANINA : Nanolotra 518 tapitrisa euro ho an’i Madagasikara

Mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona eoropeanina tamin’ny alalan’ny famatsiam-bola FED andiany faha-11. Vola mitentina 518 tapitrisa euro no natolotr’izy ireo, izay mifantoka tanteraka amin’ny lalana, angovo ary ny famatsiana rano ny famatsiam-bola sy ny fanatsarana ny fomba fitantanana. Tafiditra tanteraka amin’ny fampihenana ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara izany…

Misokatra ho an’ny firenen-drehetra ny Fitondram-panjakana ho fikaroham-bahaolana, amin’ny fampihenana ny fahantrana eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny  Fiaraha-miasa amin’ny Vondrona eoropeanina ho fampandrosoana ny Nosy. Ho an’ny Vondrona eoropeanina, nisy ny fanolorana ny vola mitentina 518 tapitrisa euro ho an’i Madagasikara. Nambaran’i Bruno Maurille Rakotomahefa, Talen’ny BACE, afakomaly fa «  mifantoka amin’ny zavatra telo loha ny fampandrosoana marolafy, momba ny famatsiam-bola tanterahin’ny Vondrona eoropeanina, amin’ny alalan’ny Fed andiany faha-11 : eo ny lafiny fotodrafitrasa tahaka ny lalana, ny angovo ary ny famatsiana rano fisotro madio. Tafiditra ao anatin’io koa ny fanatsarana ny fomba fitantanana ».

Mitentina 200 tapitrisa euro ny famatsiam-bola, izay tafiditra ao antin’ny fanatsarana ny fomba fitantanana iantefan’ny fomba fiaraha-miasa, avy amin’ny famatsiam-bola tontosain’ny Vondrona eoropeanina.   Ho an’ny fanatsarana ny fomba fitantanana iantefan’ny fomba fiaraha-miasa ity, dia mitentina 200 tapitrisa euro ny famatsiam-bola.  Isan’ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny fihaonana tamin’ny Vondrona eoropeanina ny fijerena manokana ny famatsiana ny rano fisotro madio ho an’ny mponina, amin’ny alalan’ny famatsiam-bola tanterahin’ny Vondrona eoropeanina.

Fampandrosoana marolafy

Raha ny nambaran’ny Tale eo anivon’ny Bace hatrany fa «  isan’ny ifantohan’ny famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona eoropeanina ny resaka fotodrafitrasa mahakasika ny lalana. Tafiditra ao anatin’io ny lalana amin’ny lalam-pirenena faha-6, ny lalam-pirenena faha-13 ary ny lalam-pirenena faha-9 ». Ao anatin’io ny lalana mampitohy an’i Manja sy Bevoay ; mampitohy an’i Faradofay sy ny any Atsimo Atsinanana. Ho an’ny lafiny angovo,  misy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa tahaka ny any Andekaleka, anampiana ny angovo amin’ny Jirama. Tsy nohadinoina  koa ny resaka momba ny rano, ny amin’ny famatsiana ny rano fisotro madio ho an’Antananarivo sy ny manodidina. Ifantohan’ny famatsiam-bola koa ny paikady na ny fanaovana rijanteny eo anivon’ny taozava-baventy. Mitentina hatrany amin’ny 131 tapitrisa euro ny famatsiam-bola ho fampandrosoana ny any ambanivohitra.

Mitentina 145 tapitrisa euro ny famatsiam-bola ho an’ny fanatsarana ny fomba fitantanana eny anivon’ny minisitera isan-tokony, tahaka ny any amin’ny Fitsarana, ny rafitra misy tahaka ny Bianco sy ny maro hafa. Ny eo anivon’ny  Bace na ny « Bureau d’Appui à la Coopération Extérieure » no hanara-maso ny fampiasana ny vola sy ny fandrindrana, mba hahombiazan’ny famatsiana ara-bola ary ny fampiharana ny fandaharanasa napetraka.

Fermer