KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
NOTOKANANA NY CNEMD: Hanandratra avo ny lentan’ny mozika malagasy
Volana vitsy taorian’ny nanavaozana azy, vita tanteraka ny asa fanamboarana ny ivotoeram-pirenena momba ny fampianarana mozika dihy na ny Cnemd. Omaly, araka izany, no nanokanana azy, niaraka tamin’ny fanolorana ireo mari-pahaizana ho an’ny mpampianatra izay nitondra ny fampiofanana, no sady mbola niofana koa, tao amin’ny Cnemd. Nilaza ny Minisitra Andriatongarivo Lalatiana, fa zava-dehibe ny fisian’ny Cnemd satria mifandraika amin’ny maha izy antsika ny fampianarana ao, ary hampiakatra ny lentan’ny mozika malagasy.

Potika tanteraka ny toerana nisy ny Cnemd, na ny Cnem teo aloha, tamin’ny Janoary 2019. Tsy azo nidirana, ary efa andalam-paharavana. “Isika anefa samy nahalala ny lazan’izany Cnem izany. Nanapa-kevitra, noho izany, ny minisitera amin’ny fandraisana an-tanana ny asa fanavaozana, ary izao tonga amin’ny fahavitany izao”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana. Eo anatrehan’izany, tsy ny trano ihany no nasiam-panavaozana, fa ny fampianarana koa. Fampianarana izay natao indrindra hifandraika amin’ny maha izy antsika, hoy ny Minisitra. Tokony ho lasa lavitra, noho izao toerana misy azy amin’izao, ny sehatry ny dihy sy ny mozika eto Madagasikara, hoy izy. Izany no nanavaozana ny Cnemd, izay tsy fampianarana fe fampianarana fotsiny ihany, fa ho ivotoerana miaro sy mampita ny vakoka malagasy, amin’ny alalan’ny mozika, ny hira, sy ny dihy. “Anjarany no manolotra rafi-pampianarana avo lenta, hahafahan’ny mpitendry, mpihira, mpandihy, mifehy ny asany, ary hiditra aingana eo amin’ny sehatry ny matihanina”, hoy ny fanazavany. Noho izany, anjaran’ny isam-paritra no miaro ny maha izy azy, ary ny Cnemd dia manofana ny mpampianatra amin’ny fahaiza-manao, amin’ny “Normalisation” hanamorana ny fampitana ny fampianarana.
Mifampitohy ny Cnemd sy ny Anac
Azo inoana fa tsy ho very ny kolontsaina maha izy antsika satria efa eo ny Cnemd, hoy ny minisitra. Fotoana izay nilazany fa eo am-panomanana ny fanokafanana ny ivon-toerana any amin’ny faritra ny minisitera ankehitriny. Sambany teto amin’ny firenena, hoy izy, no nisy fametrahana politika mazava amin’ny fampianarana mozika sy dihy sy ireo taranja hafa mitovy laharana amin’izany. Tsara ho fantatra fa efa andalam-panamboarana koa izao ny Anac etsy Anosy izay hifandray mivantana amin’ny Cnemd. “…hatao karazana rantsamangaika mifampitohy amin’ny Anac ny Cnemd. Afaka mbola mianatra any amin’ny Anac ireo izay nivoaka tao amin’ny Cnemd”, hoy izy. Ny kolontsaina no fo mampitem-po ny firenena, hoy izy, ka mila hampiroboroboana. Marihana fa isany nianatra tao amin’ny Cnemd ireo zaza kanto ary efa maha velom-bola ny fahaizan’izy ireo mikirakira zava-maneno ankehitriny. Ny Cnemd rahateo tsy hanavahana fa mandray na iza na iza. Lanonana roa sosona no natao ho an’ny omaly. Nisy ny fitokanana ny trano vaovao. Nisy ny koa ny fanomezana mari-pahaizana ho an’ireo mpampianatra izay nampianatra tao amin’ny Cnemd. Izy ireo izay nampianatra saingy tsy mba nanana mari-pahaizana izay mendrika izany maha mpampianatra azy ireo izany.




