PolitikaSongadim-baovao
ASA FAMPANDROSOANA: Tsy manadino ny vahoakan’I Diana ny Fitondram-panjakana
Araka ny efa nambaran’ny Filoham-pirenena ombieny ombieny, tsy tokony hisy intsony Faritra na Distrika ho adino amin’ny fampandrosoana eto Madagasikara. Nanomboka ny alakamisy teo, ny Faritra Diana indray no notsidihan’ny Fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny Praiminisitra sy ireo delegasiona notarihiny. Lafin-javatra maro no notsidihan’ny Praiminisitra, ary nitondra vahaolana sy fanatsarana, mifandraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka. Nanamarika ny dian’ny delegasiona ny fanolorana “ambulances” tsy mataho-dalana miisa roa ho an’ny Faritra. Nambaran’ny Praiminisitra koa fa hampitomboina ny toerana fandraisana an-tanana ireo marary sy ny fanaovana fitiliana ao Antsiranana. Noho izany, hahazo fandriana miisa 50 miaraka amin’ny kojakoja samy hafa ilaina miaraka aminy ny efitrano vaovao ao amin’ny Hopitaly Miaramila, mba hahafahana manitatra ny “Centre de prise en charge” ao an-tampon-tanàna. Ankoatra izay, hatsangana tsy ho ela ny “Brigade d’Intervention Spéciale” ho fanatsaràna ny resaka fandriampahalemana. Notsiahivin’ny Praiminisitra nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony fa hisitraka ireo tohana ara-tsosialy, toy ny vahoaka Malagasy rehetra, ny vahoakan’Antsiranana.
Tetikasa maro hafa
Ankoatra ireo, tetikasa sy fotodrafitrasa maro hafa no notsidihan’ny Praiminisitra nandritra ny fidinana ifotony tao Diana. Isan’izany ny tetikasa « forage » tao Namakia, izay hahazoana loharano vaovao hoentina hamatsy rano ny tanàna, hanampy ny any Besokatra. Ankoatra io tetikasa io dia notsidihana ihany koa ireo fotodrafitrasa efa an-dalam-pahavitana toy ny kianja manara-penitra, ny “Maison de la culture”, ny “Lycée” manara-penitra, ary ny fanavaozana ny toby fanangonan-dranon’ny orinasa Jirama ao amin’ny “PK7”. Nojerena manokana koa ireo toerana hanorenana tanàna vaovao, sy ny seranan-tsambo “Jasmine” izay hanaovana tetikasa vaovao ihany koa. Ho an’ny omaly, namonjy ny tananan’ i Ramena ny delegasiona, ary nitarika fivoriana niaraka tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana eny anivon’ ny lafintany sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.




