PolitikaSongadim-baovao
PRAIMINISITRA TAO DIANA: Efa mipetraka ireo fepetra handraisana ny sidina
Miroso mankany amin’ny fivoarana tsara hatrany Madagasikara amin’ny ady amin’ny Covid-19. Isany fepetra efa noraisin’ny Fanjakana ny fisokafan’ny habakabak’I Madagasikara amin’ireo sidina avy any ivelany, indrindra ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina. Teo anatrehan’izany, nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Praiminisitra tany amin’ny faritra Diana iny, nanomboka ny Alakamisy teo, nijerena ifotony ny fametrahana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra mifandraika amin’ny fidiran’ireo sidina avy any ivelany.
Amin’ny faha-29 ny volana Oktobra ho avy izao no daty napetraky ny Fanjakana hisokafan’ny abakabak’I Madagasikara amin’ireo sidina avy amin’ireo nosy aty amin’ny ranomasim-be indianina. Eo anatrehan’izany, nisy ny fitsidihana nataon’ny Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, tany amin’ny Faritra Diana. Fidinana ifotony izay tafiditra ihany koa amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fihodinan’ireo sehatra maro mifandraika amin’ny toekarena sy ny fiainam-bahoaka ankapobeny. Araka izany, isany niara-dalàna tamin’ny Praiminisitra ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisitry ny Fitaterana, ny Fizahan-tany ary ny Famatarana ny Toetrandro, ny minisitry ny Rano, ny Fidiovana ary ny Fanadiovana, ary ny minisitra lefitra misahana ny Tanàna Vaovao sy ny Toeram-ponenana. Nentina nanombohana ny fitsidihana ny fandehanana tao amin’ny seranam-piaramanidina “Arrachart” izay anisany hisokatra ny 29 oktobra ho avy izao. Nojerena ifotony ireo fiomanana sy fepetra napetraka handraisana ny sidina avy any ivelany.
Mbola manana fotoana handaminana
Nambaran’ny Praiminisitra nandritra ny fitsidihana fa, amin’ny ankapobeny, dia efa mipetrapetraka avokoa ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra eo anivon’ny seranam-piaramanidina. Na izany aza, mbola mila hatsaraina miandalana ny hananganana ny “centre d’isolement” ao amin’ny seranana. Tsapa ihany koa fa mbola misy lafiny ilàna fandaminana, ka ny marainan’ny 24 septambra dia nisy ny fivoriana notarihin’ny minisitry ny Fitaterana, izay nifanakalozany hevitra tamin’ireo tompon’andraikitry ny fitaterana any an-toerana, ary nanomezany toromarika momba izany fandaminana izany. Nampahafantarin’ny Praiminisitra fa “mbola manana fotoana isika handaminana ny hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny aretina, indrindra amin’ny fisokafana amin’ireo faritra hafa sy ireo nosy manodidina. Ka izao fidinana izao no ahafahana mijery ny mbola fanarenana tokony hatao, ny efa vita, ary ny ho fanatevenana”.
Fisokafan’ny taxi-brousse
Isany nanamarika ny dian’ny delegasiona ihany koa ny fijerena ny tao amin’ ny toby fiantsonan’ny taxi-brousse (gare routière) ao Scama, ka nisy ny tatitra nataon’ireo tompon’andraikitra momba ny lamina mahakasika ny fisokafan’ny fitaterana an-tanety na ny zotra nasionaly izany, izay hanomboka anio. Amin’ny ankapobeny, voahaja ny lamina, ary saika mitovy tamin’ireo fepetra rehetra efa noraisina tamin’ireo zotra rehetra efa nisokatra manerana ny Nosy no napetraka tao amin’ity toby fiantsonana ao Scama ity. Tetsy ankilany, nisy koa ny fivoriana niarahan’ny delegasiona tamin’ny CCOR Diana, ka naneho fankasitrahana tamin’ny ezaka vita, ho an’ireo tompon’andraikitra any amin’ity Faritra ity ny Praiminisitra. Nambarany anefa fa nohon’ny mbola fiakaran’ny tahan’ireo mitondra ny aretina covid-19 dia nisy ny fepetra maro noraisina, mba hahafahana manatevina ny ady atao amin’ny valanaretina, ary mino sy manantena ny tenany, fa samy handray ny andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay, izany hoe misy ny andraikitry ny governemanta ary misy ihany koa ny andraikitry ny tompon’andraikitra eto an-toerana, hoy ihany izy.


