SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FAHA-60 TAON’NY FAHALEOVANTENA: « Mbola hisy fampitam-baovao ofisialy momba ny fankalazana”
“Mandinika ny fomba hanatanterahana ny fankalazana ny fahenimpolo taon’ny Fahaleovantena amin’ny 14 Oktobra mihitsy izao ny Fitondram-panjakana”, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, omaly. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity, fa efa nisy karazana komity natsangana natao handinika izany, miaraka amin’ny avy eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny minisitera tantanany. Na izany aza anefa, tsy maintsy hatao laharam-pahamehana ny fitandremana rehetra satria mbola tsy lasa tanteraka ny valanaretina. Izany hoe, “miezaka isika mba tsy isika indray sanatria no hametraka tontolo iray mety hampiparitaka izay aretina izay amin’ny alalan’ny famoriana olona betsaka sy ny sisa”,hoy izy. Nilaza ity tompon’andraikitra ity fa nisy tokoa vinavina ny hanao ny fanamarihana any Sofia. Tsara tsiahivina fa ny 14 Oktobra dia fanamarihana ny nahaterahan’ny Repoblika voalohany, dia ny Filoha Philibert Tsiranana no rain’izay Repoblika voalohany izay. Ka mba ho fahatsiarovana azy, sy ho famelomana indray ny tantara, dia tao anatin’ny tombana ny hoe handehanana any Anahidrano. Ity farany izay toerana nahaterahany sy nisy ny trano fonenany. Ny Filohan’ny Repoblika koa nanana faniriana ny hamadika ho mozea na tranombakoka ilay toerana nipetrahan’ny Filoha Philibert Tsiranana. Kanefa, rehefa nifampidinika tamin’ny fianakavian’ity Filoha voalohany teo Madagasikara ity ny Fanjakana, dia nisy ny tsy fahazotoan’izy ireo mahakasika izay famadihana ho mozea ny trano nonenan’ny Filoha Philibert Tsiranana izay. Tsy maintsy najaina ny hevitry ny fianakaviana, hoy ny Minisitra misahana ny Kolontsaina. Araka izany, hiova amin’ny endrika hafa indray ny fankalazana. Notsindriany kosa anefa fa tsy maintsy hisy ny fankalazana izay 14 Oktobra izay. Ny endriky ny fankalazana azy no hisy fiovana noho ny tsy fahatanterahan’ny vinavina nokasaina mahakasika ny mozea ao Anahidrano, sy noho ny Hamehana ara-pahasalamana izay mbola mitoetra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara. Mbola hisy ny fampitam-baovao ofisialy amin’izay rehetra azo atao sy tsy azo atao, mahakasika ny fankalazana.




