Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FAMONOANA AN’I DANIL RADJAN: 3 lahy any Tsiafahy, vazaha iray arahin’ny Fitsarana maso

Naiditra am-ponja vonjimaika any Tsiafahy ny « agents de sécurité » Cops telo lahy, ary nahazo fahafahana vonjimaika, ka eo ambany fanarahamason’ny fitsarana kosa ilay teratany vahiny tompon’ny orinasam-piambenana. Fanapahan-kevitra ara-pitsarana izay mampametra-panontaniana ihany satria tsy tokony hitovy daholo ve ny olon-drehetra eo anatrehan’ny lalàna? Sao misy zavatra tsy mazavazava tao?

Efa tamin’ny 8 ora alina tany ho any vao vita ny fakana ambavany nataon’ny fitsarana ireo olona efatra, « agents de sécurité » telo lahy ao amin’ny Cops sy ilay teratany vahiny tompon’ny orinasam-piambenana mahakasika ny raharaha famonoana ilay karana Danil Radjan. Naiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany eny Tsiafahy ireo telo lahy ireo, ary nahazo fahafahana vonjimaika ary eo ambany fanarahamason’ny fitsarana. Raha tsiahivina ny zoma teo nisamborana azy ireo, ary natao famotorana tany amin’ny BC Anosy ny asabotsy, notazonina ny alahady ary izao natolotra ny fampanovana omaly izao.

Maro ireo olona nohainoana tamin’ity raharaha ity, raha ny fanadihadiana natao, ary anisan’izany ny fijerena ny « puce »-n’ny findain’ny maty, ny fanaraha-maso akaiky ny « caméra de surveillance» no anisan’ireo asa famotorana nataon’ny sampana heloka Bevava. Voalaza fa misy tamin’ireo nohainoana no efa niaiky ny zavatra nataon’izy ireo. Ilay karana izay nofatorana ary novoina tamin’ny fomba feno habibiana avy eo. Hita faty tao amin’ny rihana ambany, fiantsonan’ny fiara tao amin’ny tranombarotra La City i Danil Radjan. Hita tamin’ny « caméra de surveillance » izy niditra tao an-toerana ny andro asabotsy maraina tokony ho tamin’ny 10 ora izy, ary tsy hita intsony avy eo. Nandeha ny antson’ny vadiny sy ny fianakaviany, ka efa ny hariva vao hita ny fatiny. Anisan’ny niady mafy tamin’izao raharaha izao ny CFOIM na ny Collectif des Français d’Origine Indienne de Madagascar. Niantso izay manam-baovao manodidina io famonoana io izy ireo mba hiara-hiasa amin’izy ireo, mba ahafahana mahita ny tompon’antoka sy manampy ny mpitandro filaminana efa mandray an-tanana ny raharaha.

Tsy tokony hitovy avokoa ve ?

Nivoaka anefa iny valin’ny fanadihadiana sy ny fakana ambavany ireto olona voakasiky ny raharaha ireto, izay nahitana Malagasy telo lahy naiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany, raha toa ka nisitraka fahafahana vonjimaika sy mijanona ho eo ambany fanarahamason’ny fitsarana fotsiny ihany ilay teratany vahiny. Tsy tokony hitovy avokoa ve ny olon-drehetra eo anatrehan’ny lalàna ? Mampanahy ihany ny trangan-javatra tahaka izao satria nisy tamin’ireo lehilahy nalaina ambavany ireo mihitsy no efa niaiky ny zavatra nataony. Mbola manjaka ve izany karazana tsindry samihafa mety ataon’ny mpanambola eto amintsika ? Ka na tokony hiharan’ny sazy sy ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny firenena aza dia mitoetra ho tsy maty manota eny foana? Antenaina ny tena nisian’ny fahaleovantenan’ny fitsarana marina tamin’ny fandraisana an-tanana ity raharaha ity. Fantatra fa ampiakatra ny raharaha amin’ny ambaratongam-pitsarana ambony kokoa ny fianakaviana.

Fermer