PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

FAHAZOA-MAMANTATRA NY RAHARAHAM-PANJAKANA : Hampihena ny elanelana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka

28 Septambra, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny zo mahafantatra ny raharaham-panjakana ». Nankalaza izany isika teto Madagasikara, ka tany amin’ny Faritra Boeny no ivon’ny fankalazana, nentina nampahalalana an’ilay volavolan-drijan-tenin-dalana momba ny fahazoa-mamantatra ny raharaham-panjakana izay notarihin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, ny solombavambahoakan’i Madagasikara, Nina Rahantanirina, ny Governoran’ny Faritra Boeny, Mokhtar Andriatomanga, ary ireo olo-manan-kaja maro eto amin’ny Faritra Boeny. Nandritra ny fandraisam-pitenenany, nilaza ny minisitra fa tokony manana zo hisitraka ny torohay mahakasika ny raharaham-panjakana ny olom-pirenena rehetra. « Goavana ny elanelana misy eo amin’ny vahoaka sy ny Fitondram-panjakana ankehitriny”, hoy izy. Matetika ny olona dia matahotra raha vao hoe Fanjakana, hany ka lavitra azy ireo ny fandraisana anjara amin’ny fiainam-pirenena. Kanefa, hery hahafahana mampandroso ny firenena ny fananana olom-pirenena liana amin’ny fiainam-pirenena sy ny raharaham-panjakana amin’ny ankapobeny. Araka izany, zava-dehibe ny fahafantaran’ny olom-pirenena ny mombamomba ny mpitondra fanjakana izay mitantana azy. Hatreto, 127 ireo firenena maneran-tany efa manana ny lalàna mahakasika ny fahazoa-mamantatra. “Tanjona mba hoe Madagasikara no firenena faha-128 hanana izany koa, mba hahamari-pototra ny tena demokrasia”, hoy ny minisitra.

Tsy laharam-pahamehana tamin’ny mpitondra teo aloha

Niantso ireo mpisehatra rehetra mety ho voakasika izany ny Minisitera tamin’ny fotoana namolavolana azy, tafiditra amin’izany ireo fiarahamonim-pirenena. “Teny nomena ka tsy maintsy tanterahana ny an’ny minisitera”, hoy ny minisitra. Marihana fa nitohy hatrany ny famolavolana na teo aza ny Hamehana. Raha tsiahivina, tamin’ny taona 2006 no efa nisy ny vinavina ny hanaovana ity lalàna ity, izay ny CSI no saika hanao azy tamin’izany fotoana. Tsy tafavoaka mihitsy anefa izany satria tsy nametraka ho laharam-pahamehana izay lalàna mahakasika ny fahazoa-mamantatra ny raharaham-panjakana izay ny Fitondram-panjakana nifandimby. Ankehitriny, natao laharam-pahamahena izany, ary efa tonga amin’izao volavolan-drijan-tenin-dalàna izao.

Kolontsain’ny tamberin’andraikitra

Fanohizana izay efa natomboka teto Antananarivo no natao tao Mahajanga. Amin’izao fotoana izao dia efa hiadian-kevitra eo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta sy ny Filankevitry ny Minisitra ity volavolan-drijantenin-dalàna ity. Aorian’izay vao hampandalovina eny anivon’ny Antenimiera roa tonta. Tsara ho fantatra fa anisany fanamby nataon’ny Fitondram-panjakana ny hanaovana ity lalàna ity, nandritra ny dinika politika niarahana tamin’ny Vondrona Eoropeanina. Antenaina ny hampiroborobo ny kolontsain’ny tamberin’andraikitra, hoy ny Minisitra tompon’andraikitra. Na izany aza anefa, tsy ny vaovao rehetra no azon’ny olom-pirenena fantarina fa efa misy ny sokajy voafaritr’ity lalàna ity. Tsy azo atao ohatra ny mitaky vaovao mahakasika fiainana manokana, fiarovam-pirenena sy ny toy izany.

Fermer