Fanadihadiana Manokana

FIVAROTANA ZAVA-MAHADOMELINA : 70 kilao ny rongony sarona nandritra ny herinandro

Miverina mirongatra indray ny trafikana rongony, saika manerana ny Faritra maro manerana ny Nosy. Miandahy miambavy ireo olona saron’ny Zandarimariam-pirenena ary ampolony kilao mahery ny fitambaran’ny rongony tratra, ny herinandro lasa teo. Efa mandeha ny fanadihadiana ireo olona sarona, raha nisy ny rongony nodorana…

Efa vita fonosana tahaka izao ireo rongony tra-tehaka.

Nandritra iny herinandro lasa iny,  manodidina ny 70 kg ny rongony sarona tany amin’ireo Faritra maro manerana ny Nosy. Lehilahy iray antsoina hoe Marolahy, 38 taona monina ao Ambalafary, fokontany ao ihany, kaominina Andohanilakaka, distrikan’ Ihosy, tratra teo am-pifohana rongony, ny 23 septambra lasa teo.  Nosamborina ary natao andrimaso tao amin’ny Tobim-paritry zandarimaria Andohanilakaka. Araka ny fahazoan-dalana avy amin’ny Rtoa Tonian’ny mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Ihosy, nisy ny fisavana ny tranon’ireo olona tondroin’i Marolahy fa manao ny asa fivarotana rongony ao Andohanilakaka. Rehefa natao ny fisavana ireo olona notondroin’ity mpifoka rongony ity, dia  rongony milanja 30 kg no tratra ary nogiazana tao amin’ny Tobim-paritra Andohanilakaka. Voasambotra ny olona dimy, ankoatra an’i Marolahy ka, ny efatra tamin’ireo, dia vehivavy daholo, izay mihoatra ny 50 taona avokoa ny taonany. Misy tamin’izy ireo no mipetraka ao Ambalafary, Tsaratanàna, Mangarahara ary Mangatokana. Mbola nahitana moara koa sarona nandritra ny fisavana trano. Efa mandeha, araka izany, ny famotorana ireo mpivarotra rongony, ao ami’ny Tobim-paritra Andohanilakaka.

31 kg sarona tany Sambava…

Ampahany amin’ireo rongony sarona nodorana.

Nahatratra jiolahy roa mpisera rongony ny zandary ao amin’ny Tobim-piaritry ny Zandarimaria ao Ambodimanga, Antsahavaribe Sambava, ny tolakandron’ny 23 septambra lasa teo. Nahatratra 31 kg ireo rongony sarona ary miaraka amin’ny tavoahangy iray, izay natao ho fidorohana rongony. Naiditra am-ponja vonjimaika ireo jiolahy ary nodorana kosa, ireo rongony. Midika tanteraka izao zava-miseho izao, fa mahazo laka eny anivon’ny fiarahamonina ny fivarotana rongony, izay mahatonga ny fiainam-piarahamonina ho sahirana amin’ny asan-jiolahy, vokatry ny fidorohana rongony. Raha ny angom-baovao, dia avy any Ambanja no niavian’ireo rongony sarona tao amin’ny distrikan’i Sambava ireto. Tao amin’ny fokontany Anahamarina, kaominina ambanivohitra Ambatoharanana, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, ny 25 septambra lasa teo, nisy ny fisavana trano izay efa nahazo alalana. Vokany, 2,200 kg ny rongony sarona tao amin’ny tranon’ilay lehilahy antsina hoe Venty. Notazonina avy hatrany izy ary natao fanadihadiana tao amin’ny borigadin’i Fenoarivo Atsinanana.

Nahatrarana koa teny Alasora…

Nahazo loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo ny Polisy, ny 24 septambra lasa teo, mahakasika fisiana olona mivarotra rongony eny amin’ny faritra Ambohimana Andraisora, kaominina Alasora. Nidina teny an-toerana avy hatrany  ny Polisy, ny andron’io ihany. Nisy ny vela-pandrika natao nahitana ny trano fonenan’ireo mpivarotra rongony ireo. Tra-tehaka tao an-tranony izy ireo, ary mbola nahitana harona feno rongony tsy mifono milanja 1 kg sy 700 grama sy rongony efa vita fonosana miisa 46. Nentina teny amin’ny birao avy hatrany izy ireo natao fanadihadiana. Nandritra ny famotorana,  fantatra fa mpihavana izy ireo.  Eny Anosibe izy ireo no mividy ireo rongony ireo amin’ny vidiny 100 000 ariary ny iray « sachet » ary saika hamidy 700 ariary ka hatramin’ny 1500 ariary ny fonosana iray efa vita. Natolotra ny fitsarana ny 25 septambra lasa teo, ireo olona voarohirohy.

Ireo olona tra-tehaky ny zandary tamin’ny fivarotana rongony.

Fivarotana sy fifohana rongony

Tsy mbola malalaka ary voararan’ny lalàna eto amintsika

Miezaka mamongotra ny ady ami’ny zava-mahadomelina ny Zandary.

Mbola voararan’ny lalàna ary tsy mbola malalaka,  mampigadra ny fivarotana sy fifohana rongony eto amintsika, araka ny lalàna lah-97 039 tamin’ny 4 novambra 1997, izay mamehy ny fanaraha-maso ny rongony sy ny zava-mahadomelina izay mety misy fiantraikany eto amintsika. Io lalàna io no mamaritra ny sazy mifanaraka amin’ireo olona tratra mivarotra, mifoka zava-mahadomelina. Misy ihany ireo firenena any ivelany mamela malalaka ny fivarotana sy fifohana rongony, saingy tsy mbola ao anatiny isika. Anisan’ny fototry ny asan-jiolahy izy ity eto amintsika, ary mamerimberina izany matetika ny mpitandro filaminana miandraikitra izany. Na polisy na ny zandary dia samy manana ny sampana miady amin’ny zava-mahadomelina. Maro ny rongony efa tratra, ary nodorana, ny fandravana tanimbolin-drongony. Araka ny lalàna, dorana eo imason’ny tomponandraiki-panjakana ireny rongony ireny. Tahaka ny niseho tamin’ny volana septambra 2019, izay nanaovan’ny zandary hetsika antsoina hoe “Ady Jamala” tany amin’ny distrikan’Ambanja sy Ambilobe ka nahafaha-nandrava tanin-drongony mirefy 20 ha, nisy voly 150.000 fototra, milanja 1.680 kilao sy rongony maina 1.300 kg. Tany Analabe Ambanja, ny volana oktobra 2019, izay nahatrarana rongony 60 taonina sy sahan-drongony 60 ha.

Mampiditra am-ponja iray ka hatramin’ny dimy taona, miampy lamandy ny fahatrarana olona mivarotra sy mifoka rongony. Miova kosa, ireo sazy ireo raha toa ka karazana zava-mahadomelina mahery vaika toy ny “heroïne” sy “cocaine” izany. Ny any amin’ny Nosy Maorisy no tena henjana ny sazy mahazo ireo olona tratra amin’ny fivarotana sy fanondranana zava-mahadomelina satria mampigadra 20 taona ka mandra-pahafaty izany. Efa nisy ny teratany malagasy maromaro tratra tany Maorisy ary migadra any an-toerana amin’izao fotoana izao.

Fifohana rongony

Tanora no tena lasibatra, mampirongatra ny asan-jiolahy

Tahaka izao ny fandravana sahan-drongony tany an’ala.

Amin’ny ankapobeny, ny tanora no tena lasibatry ny fifohana sy fandraisana rongony eto amintsika. Amidy amin’ny vidiny mora satria 200 Ar dia efa mahazo fonosana iray. 2.000 Ar ny lafo indrindra ho an’ireo aparitaka eto an-drenivohitra. Misy mahatratra hatramin’ny 15.000 na 20.000 Ar ny fonosana arakaraka ny kalitaony. Raha ny eto an-drenivohitra, manodidina ny sekoly, eny amin’ireo faritra iva no tena betsaka mivarotra rongony. Miandahy miambavy ny mivarotra izany, ary efa maro ny tratran’ny polisy, saingy mamerin-keloka hatrany ireo tratra. Manana ny sampana manokana na ny STUP eny Anosy ny polisim-pirenena. “Mampirongatra ny asan-jiolahy ny fiparitahan’ny rongony satria mandray azy io avokoa rehefa jiolahy, ary mazàna ahatrarana fonosana any amin’izy ireo. Mahatonga fahasahiana sns ny fahamamoana vokatry ny rongony ka izay no ifohan’ny jiolahy azy vao manao ny asa ratsiny”, hoy ny fanazavana azo.

Mety maha lasa adala koa

Mitarika any amin’ny fahadalana ny fifohana rongony. Mahery vaika mantsy izy io, ary mety tsy ho zakan’ny mandray azy. Ireo olona lasa adala matetika, efa nahitana taratra fa efa nandray rongony ary antony nahatonga ny aretiny. “Anisan’ny antony andrarana ny fifohana rongony izany satria ny fandraisana azy dia mahatonga fiankinan-doha ary rehefa tafahoatra loatra, mahatonga amin’izay fahavoazana eo amin’ny saina izay”, raha ny filazana dokotera.

Mety ho fanafody  koa anefa izy io, ary anisan’izany ny fampiasan’ny Malagasy azy amin’ny fitsaboana tazovony. Misy  koa ny fikarohana momba ny rongony izay mety avadika fanafody, saingy tsy mbola nisy aloha ny namoaka izany teto amintsika hatramin’izao. Araka izany, sady zava-doza no mety hahavonjy ny rongony, saingy mbola voararan’ny lalàna aloha ny fitrandrahana azy io eto amintsika.

Rado Harivelo & Yv Sam

Fermer