Songadim-baovao
VELIRANON’NY FILOHA : Tafapetraka ny CSAO sy ny BRS ametrahana fandriampahalemana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny CSAO sy ny BRS, ny zoma lasa teo, ny toby sy fotodrafitrasa naorin’ny Fitondram-panjakana ho an’ny Zandarimariam-pirenena, tany Malaimbandy sy Analankinina Miandrivazo. Velirano voalohany ny Filohan’ny Repoblika ny fametrahana ny fandriampahalemana maharitra ho an’ny Firenena…

Notokanana ny zoma lasa teo, ny CSAO na ny « Centre Spécial d’Aguerrissement Opérationnel » tao Malaimbandy. Nosafidiana manokana ny toerana Malaimbandy, noho ny hamaroan’ny asan-dahalo any amin’iny faritra iny, ary koa faritra efatra no samy manapaka ao. Tafiditra ao i Menabe, Atsimo Andrefana, Melaky ary Amoron’i Mania. Na ny CSAO, na ny « Brigade Routière Spéciale » na BRS, izay samy Toby sy fotodrafitrasa naorin’ny Fitondram-panjakana ankehitriny ho an’ny Zandarimariam-pirenena, ho fanatanterahana ny Velirano voalohany, isian’ny « fitoniana sy ny fandriampahalemana», araka ny politika ankapoben’ny Fanjakana. Ny CSAO dia Ivon-toerana iray natao hanatevenana sy hampiharana an-tsehatra ireo fahaiza-manao ara-miaramila sy arakasa norantovina tany amin’ny Sekolin’ny zandarimaria. Natao indrindra hampiharana ny haiady hiadiana amin’ny asan-dahalo amin’ny faritra mena, ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Tanjona ny hamehezana ny filaminana sy ny fandriampahalemana, mba hahafahan’ny vahoaka hiaina sy hamokatra ary hitondra fampandrosoana am-pilaminana. Hatahotra sy hihorohoro ireo dahalo sy izay mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Azo antoka ny hiverenan’ny fatokisan’ireo vahoaka fa miaro azy ny Fanjakana. Natao indrindra ny CSAO hametrahana sy hamondronana ireo zandary, mba hampalaky ny vonjy taitra na ny «intervention» ataon’izy ireo hamongorana ny asan-dahalo.
Miisa enina ireo Toby CSAO efa vita sy miasa, izay naorina amin’ny toerana voasafidy arakaraky ny hamaroan’ny asan-dahalo. Isan’izany ny ao Imanombo, Maromby, Beravina, Beroroha sy Ranotsara atsimo ary Malaimbandy vao notokanana. Mampiasa zandary anjatony mahery miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika, fiara lehibe tsy mataho-dalana, fiara mifonovy, môtô ampolony, fitaovam-pifandraisana ara-teknolojika maoderina ary « drones ».
Handry fahalemana…

Tontosa ny 25 septambra lasa teo, tamin’ny 2 ora tolakandro, ny fanamarihana ny fiantombohan’ny asa teo amin’ny « Brigade Routière Spéciale » na ny BRS ao Analakininina Miandrivazo Menabe. Fiantombohan’ny asa no nomarihina fa tsy fitokanana satria mbola maro ny fotodrafitrasa haorina eo amin’io toerana io amin’ny maha « Aire de repos » azy, izay ny Filoham-pirenena no hitokana azy amin’izay fotoana izay. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Jly Ravalomanana Richard Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, nisolo tena ny Fitondram-panjakana, notronin’ny Jly Njatoarisoa Andrianjanaka, Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena sy ireo manamboninahita jeneraly maro tomponandraikitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, natrehin’ny Gouvernoram-paritra Menabe, ny Prefet, ny Solombavambahoaka, ny Ben’ny tanàna sy ny maro hafa.
Samy faly sy velom-pisaorana ny Fitondram-panjakana avokoa, indrindra ny Zandarimaria amin’izao fahavitan’ny fotodrafitrasa izao, ary velom-bolo fa handry fahalemana amin’izay manomboka izao, ny amin’ny lalam-pirenena. Nanome toky izy ireo fa hanampy sy hifanohana hatrany amin’ny Zandarimaria ho famongorana ny asa ratsin’ny dahalo miseholany amin’ny lalam-pirenena. Nomarihin’ny Jly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria fa « isan’ny fampanantenana novinain’ny Filoham-pirenena ny fanorenana ny « Aire de repos » ho an’ny mpampiasa ny lalam-pirenena ka izao tanteraka izao ». Isan’ny mampiavaka ity ivon-toerana ity ny fisian ny alika mpitsongo dia, izay tombontsoa iray lehibe amin’ny fanatanterahana ny asa.
Marihina fa efa miisa dimy ny BRS miasa ankehitriny manerana ny Nosy, mba hiarovana ireo mpampiasa ny lalam-pirenena sy ireo tanàna manamorona azy.




