Fanadihadiana Manokana

Tsy handray anjara amin’ny fifidianana loholona: Tsy hery fa tahotra ny an’ny HVM, tsy manana mpifidy vaventy

«… tsy hery fa tahotra » ! Mazava ny resaka ankehitriny fa noho ny tahotra no mahatonga ny Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) milaza fa tsy hirotsaka na handrotsaka olona amin’ny fifidianana loholon’i Madagasikara ny 11 desambra ho avy izao. Ny tena marina tsy manana mpifidy vaventy na iray aza izy ireo.

Manao tsipaky ny miala aina sisa no azon-dry Rakotovao Rivo sy ny tariny. Araka ny voalazan’ny lalàna mantsy, ireo olom-boafidy ao amin’ny kaominina dia ny ben’ny tanàna sy ny mpanolo-tsaina monosipaly hatreto no mpifidy vaventy afaka hifidy eto Madagasikara. Tsy manana ben’ny tanàna na mpanolotsaina ry Hery Vaovao ho an’i Madagasikara na iray aza. Ireo HVM sasany efa nirotsaka tamin’ny anaran’ny tenany manokana izay tsy niandany tamin’izy ireo intsony. Tsy mahagaga raha mitady ny fomba rehetra hanakatsakanana ny fifidianana loholona izy ireo satria mahafantatra tsara fa tsy ho lany intsony. Milaza fa tsy manakana ny fifidianana ry Rakotovao Rivo fa tsy hirotsaka fotsiny ihany, kanefa andaniny milaza fa manao amboletra ny Fanjakana sady tsy manara-dalàna, ary miantso ny hafa mba tsy handray anjara amin’io, na tsy hahatanteraka izany. Lazaina fa anaty fahavaratra sns, kanefa tamin’ny taona 2015 dia tao anatin’izany vanim-potoana sy volana izany ihany no nanaovana ny fifidianana loholona. Nomena tsiny ny HCC sy ny Ceni, izay rafitra efa nipetraka tamin’ny andron’ny HVM teo amin’ny fitondrana. Izy ireo no nikarakara ny fifidianana rehetra nandraisan’ny antoko sahy niatrika fifidianana teto amintsika, ary anisan’izany ny TIM izay milaza fa tsy hiatrika fifidianana ihany koa. Ireto farany izay manana mpividy vaventy ihany fa vitsy anisa, ka matahotra ny tsy hahalany na olona iray ihany aza anatin’ny loholona, izay efa nahena ny isany ho 18 fotsiny ihany.

Miezaka manakorontana amin’ny fomba  rehetra ny mpanohitra

Aaka ny voalazan’ny lalàna mitondra ny laharana 2020-012 izay lalàna momba ny fifidianana lany tamin’ny faha 1 septambra 2020, ka manafoana ny lalàna teo aloha 2018-008 tamin’ny 11 mai 2018 mahakasika ny lalàm-pifidianana momba ny fitsapan-kevi-bahoaka, dia ny zoma faha 11 desambra 2020 no hatao eto Madagasikara ny fifidianana izay ho mpikambana indray ao amin’ny Antenimierandoholona. Tapitra amin’ny volana febroary 2021 ny fepotoana hiasan’ny senatera amin’izao fotoana izao. Nanomboka ny alatsinany teo ny fametrahana ny filatsahana  hofidina ho loholona ka hatramin’ny faha 12 oktobra.

Tsahivina fa ny fanovana amin’ny andininy maromaro ny lalàna hitsivolana teo aloha 2019-002, dia namaritra fa 63 no isan’ny senatera, ka ny ampahatelon’izany dia hotendren’ny filohampirenena. Ny lalàna vaovao indray dia mamaritra ny isan’ny senatera ho 18 ka ny 12 amin’izany no hofidiana ary ny 6 kosa hotendren’ny Filohampirenena.

Vokatr’izay, taitaitra ny teo anivon’ny mpanao lalàna, ny depiote sy ny senatera ny fandaniana ity lalàna vaovao ity. Tsy nanaiky ny fanovana io ny senatera izay tarihin-dRakotovao Rivo. Ireo HVM ireo izay marobe amin’ity andrimpanjakana ity. Nanohitra ny tolo-dalàna nasaina holaniany ny antenimierandoholona. Taorian’izay nolazaina fa hampitombo ny fepotoana hiasan’ny Filoham-pirenena ho  7 taona indray ny fepotoana itondrany, izay efa novalin’ny Filoha Andry Rajoelina momba izany.

Tsy nahomby indray ny fanakanana tamin’ny alalan’ny fandaniana lalàna sy ny fanelezana tsaho, niova indray ny paik’adin’ireo mpanohitra ka ny fifidianana  kaominina 24 avy amin’ny kaominina izay tsy maintsy haverina no atao resabe. Nametraka olona indray koa mahakasika ny lisitry ny mpifidy any amin’ny CENI. Tsy ny mpifidy ihany no sintonina ho resabe fa hatramin’ny mpikambana ao amin’ity CENI no angatahan’izy ireo horavana indray. Niforona hatramin’ny hoe « groupe du Panorama » aza miketrika izay fomba rehetra hanakorontanana ny fifidianana, saingy hita fa fomba fiady ihany ho an’ireto mpanohitra matahotra ireto izany.

Nilaza i Ndremitsara Tarzan, filohan’ny Ifi Antananarivo, sady filoha lefitry ny Fimar Bongatsara miaraka amin’ny IRK fa feno ny fepetra ahafahana manao ny fifidianana loholona. «Efa nazava ny tenin’ny Fitondrana fa noho tsy fahampian’ny teti-bola no anisan’ny nampihenana ny isan’ny loholona izay mampimenomenona ny sasany, kanefa mbola maro ihany koa ny rafitra sy ny mpiasa anatin’ny antenimierandoholona handaniana vola. Matoa ny sasany tsy sahy miatrika fifidianana, dia mahafantra fa tsy ho lany », hoy izy.

FIFIDIANANA LOHOLONA: Ny 12 oktobra hoavy izao no faran’ny firotsahan-kofidina

 

Nanomboka ny alatsinainy 28 septambra lasa teo ny fandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho Loholona.  Ny 12 oktobra hoavy izao vao hifarana ny daty firotsahan-kofidina, izay aterina eny anivon’ny Rafitra manara-maso sy mandray ny firotsahan-kofidina na ny Ovec eny amin’ny Vaomieram-paritany misahana ny fifidianana ny antontan-taratasy rehetra. Tsy mihemotra, araka izany, ny daty 11 desambra 2020 hanatontosana ny fifidianana loholona, izay ny mpifidy vaventy no tena handray amin’izany. Tafiditra ao ireo olom-boafidy avy amin’ny antoko  na ben’ny Tanàna na Mpanolotsaina monisipaly. « Mitentina 15 tapitrisa ariary ny fandraisana anjaran’ny lisitry ny kandidà iray, ahitana anarana olona dimy », raha ny nambaran’ny Mpitondra tenin’ny Ceni, Fano Rakotondrazaka, ny fiandohan’ny herinandro teo. Raha ny fanadihadiana, natao ho fandraisana anjara amin’ny saram-panontana ny biletàm-pifidianana no tena anton’io anto-bola io.

Ho an’ireo nahatratra ny 10% kosa, amin’ny isam-bato, azon’ny lisitry ny kandidà iray, dia hiverina amin’izy ireo izany. Ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana no mandrafitra tanteraka ny ny lisitry ny mpifidy miainga amin’ny avy amin’ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana, momba ny fifidianana ben’ny Tanàna, ny 27 novambra 2019 lasa teo izany. Araka ny voalazan’ny and-78 sy 79 ao amin’ny lalàna fehizoro laharana 2015-007 tamin’ny 3 marsa 2015, dia fifidianana andraisan’ny mpifidy vaventy anjara ny no ifidianana ny loholona, isaky ny faritany ary maharitra 5 taona ny fe-potoam-piasany.

18 ireo loholona ho eny amin’ny Lapa maitso…

Azo antoka fa ho maro no hilatsa-kofidina na dia maneho ny tsy firotsahany ao amin’izany fifidianana loholona izany ny avy amin’ny antoko HVM. Taratry ny fahalemen’ny antoko iray, ny tsy fandraisana anjara amin’ny fifidianana. Ho an’ny antoko tsy manana fototra, dia mazava ho azy, manao ady varotry ny mananotena, hiady toa tsy hahazo, hahazo toa tsy hahazaka. Hany hery, aleo tsy mirotsaka sao hitafy henatra amboniny ihany. Tsy misy afa-tsy 18 monja ireo loholona ho tafiditra eny amin’ny Lapa maitson’Anosikely, ka roa isaky ny Faritany izany, dia Antsiranana, Antananarivo, Fianarantsoa, Mahajanga, Toamasina ary Toliara. Izany hoe, miisa 12 ireo ho lany hofidina. Mazava, araka izany, fa  ny 2/3 no hofidina, raha ny 1/3 kosa, tendren’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Ny mpifidy vaventy araka ny efa notaterina  no hifidy azy ireo ary lisitry no fidina ka fihodinana tokana no hanatanterahana ny fifidianana. Ho an’ny Faritanin’Antsiranana, fotsiny, mahatratra hatrany amin’ny 1116 ny mpifidy vaventy ao amin’ny Faritra Diana sy Sava.

Pierre M. & Yas

Fermer