KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

MPANAKANTO AO MAHAJANGA : Maimaimpoana ny fampiasana ny « Banja Toalaza » hatramin’ny faran’ny taona

Isany nanamarika ny dian’ny ekipan’ny Minisisteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tao amin’ny renivohitry ny Faritra Boeny ny fihaonana tamin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny zava-kanto. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny fakan-kevitra mahakasika ny sata mifehy ny mpanakanto.

Saika fepetra noraisina nanerana an’i Madagasikara ny tsy fahafaha-manatanteraka hetsika famoriam-bahoaka na fampisehoana ho an’izay rehetra mpisehatra amin’izany. Ho fiarovana ny tsy hiparitahan’ny valanaretina no antony. Omaly, nisy ny fihaonana teo amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, niaraka tamin’ireo mpanakanto ao amin’ny Faritra Boeny nihainoana ny hetahetan’izy ireo, tao anatin’izao fotoan-tsarotra izao. Araka izany, isany hetahetan’ireo mpanakanto tao Mahajanga, nandritra ny fakan-kevitra natao, ny fampitoviana ny fikarakarana fampisehoana, vokatry ny aretina Coronavirus, izay nisy fiantraikany mivantana tamin’ireo mpanakanto. Teo anatrehan’izany, nambaran’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, fa ho fitsinjovana azy ireo dia homena maimaim-poana ny fampiasana ny toerana fanaovana fampisehoana « Banja Toalaza » hatramin’ny faran’ny taona.

Nihaino ny hetahetan’ireo mpanakanto

Ampahany amin’ny ezaka ataon’ny minisitera ho fanohanana ny mpanakanto ihany io fepetra io, fa maro ireo mbola kasaina hanatsarana ity sehatra ity. Antony hanaovana ny hetsika fakan-kevitra mahakasika ny sata mifehy ny mpanakanto. Hetsika izay nitohy tao Mahajanga ny fiandohan’ny herinandro teo. Taorian’ny nihainoana ny hetahetan’ireo mpanakanto tao an’Antananarivo, mametraka paikady ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, ny handravona ny hevitra rehetra avy amin’ireo mpanakanto tsy ankanavaka manerana an’i Madagasikara. Saika niraisan’ireo mpanakanto hevitra raha ny teto Mahajanga, ny fijerena manokana ny fitsinjovana ny ho avin’izy ireo eo amin’izany sehatra izany. Tsara ho fantatra fa voafaritra ao anatin’ny didi-panjakana lf 2011-029 izay satan’ny mpanakanto izay. Tafiditra ao anatin’izany ny fampahafantarana ny zo sy andraikitry ny mpanakanto, ny famaritana ny tena atao hoe mpanakanto matihanina, ny asa maha mpanakanto sy ny tontolony, ny fiahiana ara-tsosialy, ny fampiofanana, ny famoahana ny karatra maha matihanina ho azy ireo. Marihina fa tanjona kendrena amin’izao fakan-kevitra izao ny fampiroboroboana ny kolontsaina Malagasy, ny fampivoarana ny tontolon’ny zavakanto, ny fanomezan-danja ny asa maha mpanakanto, ny afahan’ny mpanakanto mivelona amin’ny zava-kanto ataony.

Fermer