PolitikaSongadim-baovao

FIVORIAMBEN’NY FIRENENA MIKAMBANA : « Tokony ho foanana ny trosan’ireo firenena andalam-pandrosoana” hoy Andry Rajoelina

Nandray anjara fitenenanana nandritra ny fivoriamben'ireo Filoham-panjakana sy Lehiben'ny Governemanta mpikambana amin'ny ONU ny Filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, omaly. Ankoatra ny filazana ny fahombiazan’I Madagasikara momba ny ady natao tamin’ny Covid-19, dia niresaka ny lafiny toekarena koa ny Filoha. Fotoana izay nangatahany fanafoanana ireo trosa maro aty amin'ny firenena andalam-pandrosoana rehetra.

Nitodika teto Madagasikara ny mason’izao tonotolo izao, omaly hariva. Notanterahana omaly tokoa mantsy ny Fivoriamben’ireo Filoham-panjakana sy Lehiben’ny Governemanta mpikambana amin’ny ONU. Ary nandray anjara fitenenana tamin’izany ny Filoha Andry Rajoelina, tokony ho tamin’ny 5ora sy sasany ora eto Madagasikara. Tamin’ny alalan’ny Visioconférence no nandraisan’ny Filoham-pirenena fitenenana. Tamin’ny ankapobeny, niompana betsaka tamin’ny ady natao tamin’ny Covid-19 ny kabary izay nataony. Na izany aza, niresaka mahakasika ny asa fampandrosoana sy ny lafiny toekarena ny Filoha. Fotoana izay nanambarany fa hiroso amin’ny asa maro I Madagasikara.  Isany nangatahiny, araka izany, ny fanafoanana ireo trosa maro aty amin’ny firenena andalam-pandrosoana rehetra. Nitsotra ny Filoha fa ny firenena toa an’I Madagasikara dia anisany nizaka mafy ny voka-dratsin’ny Covid-19. Tafiditra ao anatin’izany ny fidinan’ny harinkarena faobe, ny fihenan’ny fidiram-bola, ny filatsahanan’ny fampidiran-ketra, ny fitomboan’ny tahan’ireo tsy an’asa. “Mila mibanjina ny ho avy amin’izay isika, ary mitady miaraka ny vahaolana mba hahafahan’ny firenena andalam-pandrosoana miatrika sy mandresy ny krizy.”, hoy ny fanazavany. Izay no anton’ny fangatahana fanafoana ireo trosa baben’ny firenena andalam-pandrosoana. Nangatahan’ny Filoha malagasy koa ny hahazoan’ireo firenena ireo “financements concessionels” mba hahafahana manafaingana ny tanjon’ny fampandrosoana.

“Agenda global post—COVID”

Mbola nohamafisin’ny Filoha fa ny valanaretina Covid-19 no nampiseho fa mbola voafetra ny fifanarahana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana. Tokony hahafahana manitsy izany ny fisian’ity valanaretina ity, hoy izy, mba tsy hisy fiantraikany koa amin’ny fahatrarana ny tanjon’ny “Agenda 2030”. “Mba hahafahana mametraka fanamby iombonana, Madagasikara dia manao antso avo amin’ny tokony hananana vina ikambanana, iraisan’ny firenen-drehetra, amin’ny alalan’ny fananganana ny “Agenda global post—COVID”,  izay hapetraka ho eo ambany fiahian’ny firenena mikambana”, hoy izy. Izany vina izany dia hahafahana mandrindra ny paikady ataon’ny firenena rehetra momba ny ady amin’ny Covid-19, indrindra teo amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ny ara-toekarena. Izany koa no hahafahana manamafy ny fifampitokisana eo amin’ny samy firenena mpikambana, sy mamelona indray ny lalantsain’ny firaisankina izay mampivondrona ao amin’ny ONU rahateo. Tsy nanadino ny nanambara ny fahombiazan’ny Tambavy CVO ny Filoha malagasy. Nambarany fa ny Covid-organics dia nahitana fahombiazana ary isan’ny tsy nampiakatra firy intsony ny olona mitondra ny tsimokaretina teto Madagasikara.

Fermer