Songadim-baovaoToekarena

SEHA-PIHARIANA ORANTSIMBA: Voarara ny fanjonoana manomboka ny 01 Oktobra

Namoaka naoty fampandrenesana ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, omaly, mahakasika ny seha-pihariana orantsimba eto Madagasikara. “Ny minisitry ny Fambolena, ny Fiompiana, ary ny Jono dia mampahafantatra ny besinimaro fa ny fanjonoana, ny famarotana, ny fivarotana, ny fividianana, ny fitaterana ny orantsimba amin’ny endriny rehetra dia voarara manomboka ny voalohan’ny volana oktobra 2020 vao maraina hatramin’ny 31 Desambra 2020 misasak’alina”, hoy ny fampitam-baovao. Izany fepetra izany dia mihatra ho an’ny Faritra Atsinanana, Analanjirofo, Sava, Diana, Sofia, Boeny, Melaky, Menabe ary Atsimo Andrefana. Etsy ankilany, ireo mpandraharaha rehetra momba ny Orantsimba, na orinasa mpanjono, na mpanangom-bokatra, na fivarotana hazandrano, dia tsy maintsy manao fanambarana ny tahiry ananany hatramin’ny anio, any amin’ny Foibem-paritry ny  Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono akaiky azy indrindra fara-fahatarany ny 09Oktobra izao. Tsara ho fantatra fa ireo fepetra rehetra izao dia araka ny Didim-panjakana laharana faha-2017-854 tamin’ny 26 Septambra 2017 momba ny Famaritana ireo fotoam-pitrandrahana Orantsimba, araka ny andininy faharoa vaovao.

Fermer